Taratra

Fiatrehana fifidianana: nampahatsiahy ireo fepetra ny Ceni

Nampahatsiahy ireo fe­petra ahafahana mifidy ny eo anivon’ny Ceni. «Ilaina ny fananana karatry ny mpifidy ho fanamarinana ny fandraisana anjara amin’ny fifidianana, indrindra ho an’ireo hitondra fitarainana eny amin’ny fahefana mahefa», hoy ny eo anivon’ity rafitra mikarakara sy manomana ny fifidianana ity. Nanterin’ny Ceni koa fa ireo mpifidy vaovao feno […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 40 ny orinasa vonona hiditra ao anatin’ny tetikasa Fier, hanohanana ara-bola amin’ny angovo maharitra. Tanjona ny hampiakatra avo 2 heny ny herinaratra vokarina eto amintsika, hatrany amin’ny 80 000 fanampiny. Manohana ny fanjakana manatanteraka ny Fier ny Pnud, ny Onudi ary ny UNCDF. Miisa 38 mianadahy ireo niofana mahakasika […]

Fizahantany : hampahafantarina i Nosy Be sy Antananarivo

Miara-miombon’antoka ny trano fiantranoana, Hotel Radisson Blu, sy ny Ravinala Airports, mitantana ny seranam-piaramanidina Anta­nana­rivo sy Nosy Be. Mano­hana azy ireo ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana sy ny Ofisim-pirenena misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Misy ny hetsika “Influencers trip” amin’ny tambajotra sosialy, hampahafantarana maneran-tany an’ireo toeram-pizahan-tany voalaza […]

Rotary Vovonana : fanabeazana ara-tontolo iainana

Nanatona ny Rotary Antananarivo Vovonana (RCA) ny fikambanana Malagasy Brand Communication (MBC), hanampiana ny mpianatra ao amin’ny kolejy Md François de Sales Imerintsiadino Masindray. Nilaza i Nisa Rambel, mpandrindra ny MBC, fa voakasik’izany ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena ary ny fanabeazana ny ankizy. Natolotra ny sabotsy 25 […]

« Autoroute Toamasina » : mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana

Tsy re tsaika, mandroso ny fanamboarana ny arabe migodana (autoroute) mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Mitotaly 250 km ity lalana ity, ary efa miroso amin’ny ampahany voalohany, mirefy 80 km, ny asa. Miainga eny Talata Vo­lonondry ny arabe mi­godana hatrany Toa­masina. Manatanteraka ny asa ny orinasa egyptianina Samcrete. Orinasa iray amin’ireo […]