Nitsidika ny trano fitahirizana fanafody vatsian’ny fanjakana amerikanina, amin’ny alalan’ny programa Usaid/Impact, ny tomponandraikitra ao amin’ny masoivohon’ity firenena ity. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fitsinjarana vaksiny sy fanafody ara-potoana any amin’ireo distrika lavi-toerana, ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny Malagasy, izy ireo. Namangy ny oniversiten’ i Fianarantsoa ny masoivohon’i […]
Taratra
Fahasalamana : niampy 20 ireo farmasianina mpanara-maso
Notolorana fanamarinam-piofanana tetsy amin’ny INSPC Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ireo farmasianina mpanara-maso ny fanafody miisa 20 mianadahy. Mandalina misimisy kokoa ny fomba fampiharana ny lalàna eo amin’ny sehatry ny fikirakirana fanafody izy ireo. Hanara-maso ny fampiharana ny didy aman-dàlana, ny fanarahana ireo fenitra amin’ny famokarana fanafody eto Madagasikara ihany […]
Festival des initiatives vertes : homezan-danja ny fiarovana ny tontolo iainana
Hotanterahina ny 31 mey sy ny 1 jona izao, etsy amin’ny Alliance francaise d’Antananarivo Andavamamba ny hetsika “Festival des initiatives vertes”, tohanan’ny Telma Madagascar. Tanjona ny hampiroborobo ny fiarovana ny tontolo iainana sy hanomezan-danja ny fampiasana ireo angovo azo havaozina, fanodinana ireo fako sy plastika isan-karazany… “Efa an-taonany maro ny […]
Amphithéâtre Fofifa : havaozina handraisana ny fihaonambe iraisam-pirenena siantifika
Manamarika ny jobily faha-50 taonany ny Fofifa. Ezaka fanavaozana ny efitrano malalaka fandraisana karazana hetsika no hanamarihina izany. Hasiam-panavaozana goavana ny Amphithéâtre ao amin’ny foibem-pirenena momba ny fikarohana hampiharina amin’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra (Fofifa). Izay no tsangambaton’ny fankalazana ny faha-50 taona niorenany. Efa tamin’ny taona 1994 no natsangana ny […]
Tsipy kanetibe : fantatra ireo hanao ny «Masters 2024»
Tontosa ny alakamisy 23 sy ny zoma 24 mey lasa teo, tany Antsirabe, ny fifantenana ireo mpilalao tsipy kanetibe hiatrika ny «Masters 2024» any Frantsa. Voafantina amin’izany, Rafanomezantsoa Andriamahazo Haja (Ny Havana) sy Andrianjaka Jean Michel (Tselonina) ary Ramanantiary Faralahy Urbain Joseph (Baloty), miampy an-dRazafimahatratra Herilantosoa. Mpilalao efa fantatra avokoa […]




