Niova ny firafitry ny filankevi-pitantanan’ny ofisy rejionalin’ny fizahantany ORTU any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Lany nandritra ny fifidianana ny filoha vaovao mpitantana, Ranaivoson Odilon. Nahavita fianarana ma hakasika ny siansan’ny toekarena sy ny fitantanana tany UMons Belgique izy. Mpiara-miombon’antoka sy mpitana trano fandraisam-bahiny “Princesse de Lagon” sy “O village” any […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Vao maika tafakatra 7 500 Ar ny kilaon’ny tongolobe, eny amin’ny tsenan’i Mahazo eto Antananarivo. Tsy tena vaventy aza ny habeny, fa salantsalany. Nambaran’ny mpivarotra fa ny mpamongady mihitsy no mivarotra lafo, ary ailik’izy ireo any amin’ny mpanangom-bokatra indray izany. Nilaza ireto farany, fa midangana ny saran-dalana satria ratsy ny […]
Fiarovana ny tontolo iainana : handramana ny fiara elektrika
Nahazo fanampiana ara-bola, mitentina 1 142 661 dolara, avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana (FEM) i Madagasikara. Hampiasana azy ny tetikasa « Tohana entina hiampitan’i Madagasikara any amin’ny fitaterana elektrika ». Maharitra 4 taona ity tetikasa tohanan’ny FEM ara-bola ity. Hatao eto Antananarivo sy Toamasina ny tetikasa andrana. Ao anatin’izany […]
Ny hery tsy mahaleo ny fanahy
Anatin’ny fampielezan-kevitra ny mpanao politika. Mihazakazaka ny fambaboana vahoaka, indrindra ny mpifidy handatsa-bato. Raha ny ranty etsy sy eroa dia izay mivoaka babany avokoa. Raha ny olona mivorivory sy tonga maka “kadoa” dia hoe ho maro ny hanao poa-droa. Eny e! Izay rahateo moa no kolontsaina napetraka ho maridrefin’ny […]
fampandrosoana ny Toekarena: lesoka ny fanaovana gaboraraka ny fanjonoana nentim-paharazana
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fandrindrana maharitra ny fanjonoana sy ny famantarana ny antontanisan’ireo manao ny fanjonoana nentim-paharazana eto Madagasikara. Misehatra amin’ny fanjonoana nentim-paharazana avokoa ny 80% ny mpanjono eto amintsika. Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena ity seha-pihariana ity noho izy miantoka ny fidiram-bolan’ny […]




