“Tsy misy miova raha ny biletà tokana sy ny zotram-pifidianana, ankoatra ny hoe ny anaran’ny kandidà no miova. Efa vita fanontana ny biletà tokana. Noho izany, tsy misy fiovana”. Io ny fanazavan’ny mpahay lalàna, i Fanahimanana Tiaray, teny Antaninarenina, afakomaly, momba ny fisiana kandidà maty amin’izao fifidianana depiote izao. Izay […]
Taratra
Rakotoarijaona Jerry : “Fifidianana no atao fa tsy fividianana olona”
Ao anatin’izao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana depiote izao, tsy ilazaon’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa. Ho tonga hatraiza? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny vovonana Jeunes patriotes révolutionnaires Malagasy (JPRM). Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ahoana ny amin’ny fahazoana ny maro anisa amin’izao fifidianana depiote izao? Rakotoarijaona Jerry (-): Araka ny And. […]
Afaka andro vitsy: hisongadina indray ny fisian’ny Reny
«Fetin’ny Reny », hono, ny 26 mey izao. Hotolorana fanomezana i Neny. Ny fihetsika sy ny fiteny, hatao izay mahafaly an’i Neny… Hisongadina indray ny fisian’ny Reny. Tsaroana ao anatin’ny ora maromaro ny adidy lehibe eo an-tsorony. Kitapo nifonosana, niankin-drindrina irery, nisotro ny rano tsy tiana, nampinono, nitrotro, nibaby, nanome sakafo […]
TARATRY ny KANTO
Hanohy ny seho any Allemagne ry Ralah Trio. Tafahoana indray any Frantsa, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” ry Ralah Trio. Fantatra fa hitodi-doha ho any Allemagne ry Tsanta (marovany, gitara, trompetra ary vata maroafitsoka), Ranto (gitara beso) ary Titan (amponga maroanaka), ka hiaka-tsehatra any Mainz ny alarobia […]
“Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano” : tanjona ny fanandratana ny fihavanana sy ny firaisankina
Hikolo ny sain’ny olona hifarimbona ho an’ny tombontsoan’ny daholobe, amin’ny alalan’ny zavakanto no antom-pisian’ny hetsika. Fifarimbonana ao anaty firaisankina sy fihavanana, izay anisan’ny nampiavaka ny Malagasy nefa takona ankehitriny. Tanterahina ny 8 sy 9 jona 2024, eny amin’iny faritra Besarety iny, ny “Kolontsaina Festival anaty Elakelatrano”, andiany fahadimy. Hetsika ara-javakanto […]




