Taratra

TSELATRA

Maty notifirin’ny jiolahy ny mpivady tao Antanetikely Ankazomiriotra, ny alahady alina lasa teo. Tao an-tranony no nanaperan’ny jiolahy azy mivady. Voalaza fa delege tomponandraikitra misahana kandidà iray hirotsaka ho depiote ilay raim-pianakaviana. Lasan’ireo mpanafika nandritra ny fanafihana ny vola 1 tapitrisa Ar niaraka tamin’ireo fitaovana sarobidy samihafa. Mitohy ny famotorana […]

Fikambanan-jiolahy « Wrong Turn » : lavon’ny balan’ny zandary Ramaitre sy ny namany

Taorian’ny nahasamboran’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Ambohimalaza an’i Lavakely (jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana sy vaky trano) tao Dakara fokontany Ikianja Ambohimangakely, ny 15 mey 2024 lasa teo, norai­sin’ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soama­nandrariny sy ny tobim-paritra Ambohimangakely indray ny fanohizana ny fanadihadiana. Fantatra tao anatin’izany fa isan’ny nanafika olona miasa […]

Nangalatra finday roa : voasambotra ilay mpangarom-paosy

Nanararaotra ny hamaroan’ny mpivezivezy, mpangarom-paosy iray voasambotra tao Andranomafana, Antsirabe, ny 19 mey lasa teo. Tovolahy iray nilalao teny an-toerana no lasibatry ny asa ratsin’io tontakely io. Norobainy ny finday roa ka nitsoaka izy. Niantso vonjy tamin’ny manodidina anefa ny lasibatra. Raikitra ny fifanenjehana. Nitsambikina niditra tao amin’ny tanànan’ny Norvezianina […]

Zavamaniry : avy amin’ny tantely ny famindrana ny vovobony

Ankalazaina isaky ny 20 mey ny Andro maneran-tany ho an’ny tantely, mifantoka amin’ny hoe « harena sy namana ny tantely ». Loha­hevitra noraisina tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Ivon’ny fameloman’aina ny toekarena ny tantely, sady manavotra ny tontolo mananaina ». Nikarakara atrikasa, omaly, ny Tranoben’ny mpisehatra amin’ny tantely eto Madagasikara (MAM), ny […]