Taratra

« Slam Poèsie »: norombahin’i Noférima ny amboara maneran-tany

Nody aty Afrika indray ny amboara maneran-tany eo amin’ny Slam poèsie, raha teratany italianina no nandrombaka izany tamin’ny andiany faha-17. Niezaka ary anisan’ny nahatalanjona ny maro ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny solontenan’ny Malagasy, nandritra ny hetsika. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao Belle Ville Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam 2024», fifaninanana […]

13 mey 1972: ho an’ny fampianarana no tanjon’ny tolona tamin’izany

Daty anisan’ny ma­nana ny tantarany eto Madagasikara ny 13 mey, izay tsarovana anio. Daty nisehoana tolona nahery vaika, nokasain’ireo mpitolona ho fanovana ny tantara. Ankehitriny anefa, vitsy ny mpi­anatra, indrindra ny tanora sy ny ankizy, no mahalala izany. Fototra nijoroan’ny tolona tamin’ny taona 1972 ny mahakasika ny lafiny fampianarana. Ny mpianatra […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola very fanantenana ny filoha Rajoelina ny amin’ny fitakiana ireo nosy malagasy eo an-tanan’i Frantsa, araka ny nambarany tamin’ny gazety Paris Match, ny herinandro teo. Nanteriny fa hiverina hitohy indray ny dinika eo amin’ny roa tonta ato ho ato ho amin’ny fifampiraharahana momba izany. Takin’ny Otrikafo ny hanoneran’i Frantsa […]

Rabekijana Félix: “Tsy mety ny fanalana lehibem-pokontany “

“Maninona no misy lehiben’ ny fokontany soloina amin’ izao? Na tomponandraiki-panjakana afindra toerana na soloina… Nefa ankatoky ny fifidianana izao. Tsy manakana ny fanalana na fanoloana mpiasam-panjakana izahay. Fotoana mahamety ny fanaovana an’izay ve izao?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, manoloana ny fanalana […]

Mila vahaolana maharitra

  Anisan’ny andry telo amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasana izao ny fampandrosoana ny maha olona. Aiza ho aiza? Marolafy ny olan’ny vahoaka ifotony, na an-drenivohitra na ambanivohitra. Amin’ny ankapobeny, saika ny fahantrana lalina sy maharitra ary manenika ny maro no antony fototra? Na tsy fandriampahalemana io, ohatra, na tsy fitomboan’ny famokarana […]