Nahazo fitaovana fanatsarana ny fampianarana ao aminy indray ny sekoly ambony politeknika (ESPA). Tafiditra ao anatin’ ny andiany faharoa amin’ny tetikasa Atelier LuBan, mikendry ny hanamafisana ny lalam-piofanana injeniera mekanika sy teknolojia momba ny informatika, ny famatsiana ireo fitaovana ireo. Hisy ihany koa ny fahatongavan’ireo Sinoa manampahaizana, teknisianina, hizara fiofanana […]
Taratra
Fandaharanasa Rindra : nahazo fampitaovana informatika avo lenta ny INFA
Hanatsarana ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazan’ny governemanta, hampihenana ny olana politika miverimberina no nametrahana ny fandaharanasa Rindra. Mitentina 23 000 dolara ny fampitaovana ny toeram-panofanana, ahitana ordinatera 25 sy ny kojakoja samihafa miaraka amin’ny « vidéo-projécteur », « écran de projéction » ho an’ny ivontoeram-panofanana ny mpiasam-panjakana momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana (INFA). Tohana avy […]
Fiompiana: fanamby ny fitadiavana vahaolana eto an-toerana
“Na dia mitombo aza ny famokarana noho ny fampiofanana omen’ny matihanina amin’ny sehatry ny fiompiana, dia mbola tsy ampy ny tolotra sy famatsiana hamaliana ny tinady”. Anisan’ny hevitra nivoitra io nandritra ny Foire de l’élevage et de la production animale (Fepa), andiany faha-16, ny 25 hatramin’ny 28 avrily teo, teny […]
Fanatsaram-bokatra: hamafisina ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina
Ho fanamafisana ny Politikam-panjakana amin’ny fanatsarana ny voka-pambolena, natomboka omaly ka haharitra dimy andro ny atrikasa « Forum du conseil agricole (FCA) » ho fampiofanana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina momba ny fomba fiasa eny ifotony. Hiompana tanteraka amin’ny « agro écologie » ny atrikasa, entina hanampiana ireo mpisehatra eny ifotony amin’ny fanapariahana ireo fomba fiasa […]
Fandraharahana: misokatra ho an’ny orinasa ny vovonana Mansa
Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny fandraharahana ny fametrahana vovonana ifanakalozan’ny samy mpandraharaha. Anisan’izany ny vovonana Africa Trade Gateway (ATG) sy ny Mansa Digital Initiative, sahanin’ny African Export-Import Bank (Afreximbank). Tonga eto Madagasikara ireo delegasiona avy amin’ny Afreximbank hanentana ny sehatra tsy miankina, ny rafitra mpandraharaha ara-bola, ny orinasa salantsalany […]




