Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny Ambohijatovo, fa handray ny « Africa Cup 2024 », taranja basikety 3×3, lahy sy vavy, i Madagasikara, ny 29 novambra hatramin’ny 1 desambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ity fifanintsanana ity, efa nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny handraisana azy. Notanterahina ny alahady lasa teo, […]
Taratra
Ligue des Champions 2024: hanala vela amin’ny Real ny Bayern
Hotanterahina anio sy rahampitso, ny lalao manasa-dalana mandroso amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2024”, taranja baolina kitra. Ny ekipan’ ny Paris Saint Germain (PSG) Frantsa, klioba roa avy ao Allemagne, ny Dortmund sy Bayern, ary ny Real Madrid Espagne no nahazo ny tapakila hiatrika izany. Anisan’ny […]
Basikety – OQT Debrecen : hiofana any Serbie ny Ankoay 3×3
Anisan’ireo firenena 16 mandray anjara amin’ny fifaninanana OQT any Debrecen Hongrie, ny 16-19 mey ho avy izao i Madagasikara. Ho fiatrehana izany, haka traikefa ao amin’ilay Akademian’ny Basikety 3×3 any Novi Sad Serbie, ny Ankoay 3×3. Nambaran’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny basikety (Fmbb), Ramaroson Jean Michel, omaly, teny Ambohijatovo, fa hanainga […]
INDRAY MIJERY
Nifarana ny zoma teo ny fara fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny 11 mey kosa no hanomboka ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 22 jolay ka hatramin’ny 26 jolay kosa ny fanadinana ho an’ny sokajy ankapobeny ary mitohy hatramin’ny 1 aogositra izany, ho an’ny sokajy teknika. […]
Toetry ny andro: Ora-mikija any avaratry ny Nosy
Mikisaka mianatsimo ilay tangoron-drahona mitondra orambe sy rivotra any avaratry ny Nosy, hoy ny Meteo Madagasikara. Raha ny antontan-kevitra voaray dia mbola tomombana hatrany, amin’ny ankapobeny, ny tontolo hivoarany na dia malefaka aza ny tsiokan’ny talio. Misongadina kosa ny hafanan’ny ranomasina izay manome vahana izany fivoarany izany (28 – 30°C). […]




