Taratra

Madagascar Oil: voakorontan’ny resaka fitsarana ny tetikasa Tsimiroro

Nifindra aty Madagasikara rehefa avy any Bermudes, Maorisy. Voakitikitika ny seha- piharian’ny orinasa Madagascar Oil, satria tratry ny disadisa ara-pitsarana tsy manam-pahataperana ny orinasa reniny US Holding Ltd. Efa manana ny lanjany amin’ny famatsiana eto an-toerana, ny solika ma­vesatra vokarin’ny Mada­gas­car Oil SA (MOSA), efa ho he­rin­taona mahery izao. Mi­antraika […]

UP-Fankatia : hizara fijery hafa momba ny fitiavana

Olam-piarahamonina iray goavana amin’izao fotoana izao ny mahakasika ny fiainam-pitiavana. Mahazo vahana ny fisaraham-panambadiana eny amin’ny fitsarana. Maro ny tsy mahatsangana tokantrano. Betsaka ny tanora diso lalana. Maro ny antony mahatonga izany. Manoloana izay indrindra dia mihamaro ny fitaovan-tserasera sy fifandraisana mivoy ny fitadiavam-bady sy fanamorana ny fihaonan’olon-droa. Maro ny […]

Fizahantany : miroborobo ny asa sy ny fihariana any Menabe

Nampihaona ireo mpisehatra amin’ny fizahantany “Tour opérateur” teny Ambohibao, tamin’ity herinandro ity, ny eo anivon’ny Groupe Kimony. Nivoitra tamin’izany ny fampahafantarana ireo toerana sy “site” ary tolotra marobe ho an’ny mpizahatany. Nambaran’ny mpandraharaha, i Abdulla D., fa efa nanomboka niainga sy miarina ny fizahantany any amin’ iny faritra iny amin’izao […]

Filoha Rajoelina Andry: nitokana fotodrafitrasa maro ao amin’ny faritra Anosy

Manao tohivakana ny fitokanana fotodrafitrasam-pampandrosoana ataon’ny filoham-pirenena ao amin’ny faritra Anosy. Natsangana ao an-toerana ny « Hôtel des finances » fahadimy eto Madagasikara. Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fananganana ireo fotodrafitrasa hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny « Hôtel des finances » izay miorina ao amin’ny fokontany […]

American Center: misokatra amin’ny fanovozan-kevitra sy vaovao marim-pototra

Notokanana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny ivontoerana American Center, izay toerana misokatra ho an’ny daholobe. Hahafahan’ny tsirairay mampivelatra ny fifandraisany mivantana sy ana habaka amin’i Etazonia, amin’ny alalan’ny fahazoana vaovao ny Amerika, ny fampianarana teny anglisy, ny torohevitra momba ny fianarana any Etazonia, ny teknolojia avolenta, izany. “Ahafa­ha­na manao fifanakalozana sy fandaharanasa […]