Olam-piarahamonina iray, mampikaikaika ny maro ny mahakasika ny fahasalamana. Tsy zakan’ny tsena, ara-bakiteny, ny saram-pitsaboana sy ny vidim-panafody. Aza marary ihany! Fa rehefa tsy manam-bola dia ny aina no manefa. Tsy misy fitsetserana sy fihantrana izany raha mbola toeram-pitsaboana. Na miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana dia vola ihany […]
Taratra
Fampielezan-kevitra : hiteny maimaimpoana ao amin’ny TVM sy RNM ny kandidà
Nampahafantatra ireo kandidà depiote ny eo anivon’ny Ceni fa omena ampaham-potoana maimaimpoana ao amin’ ny TVM/RNM. Misy anefa ny fepetra momba izany. Hanomboka ny 8 mey izao hatramin’ny 27 mey, hatramin’ny misasakalina, ao amin’ny TVM/ RNM izany. Handeha amin’ny 8 ora – 8 ora sasany alina ny fandaharana ka mahazo […]
TSELATRA
Naratra mafy teo amin’ny lohany ny renim-pianakaviana iray novelesin’ny vadiny tamin’ny fanoto teny Ambohitrarahaba, afakomaly alina. Hasarotam-piaro no nitarika ny adin’izy mivady ka niafara tamin’izao fandratrana izao. Nentin’ny fianakaviany namonjy hopitaly ilay niharam-boina ka avotra soa aman-tsara. Nitsoaka kosa ilay rangahy vadiny. Nosamborin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ny vehivavy […]
Fanafihana voasoroka : dimy lahy mpamerin-keloka lavon’ny polisy
Nirefodrefotra ny basy! Jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana ravan’ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny FIP Toamasina notarihin’ny kaomandiny, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, omaly. Nitondra fitaovam-piadiana, nikononkonona asa ratsy izy dimy lahy ireo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra anefa ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony avy hatrany ny FIP ao an-toerana. Tsy ankitsitsy, nikasa hampiasa […]
Nanolan-jaza 15 taona: naiditra am-ponja ny nahavanon-doza
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 15 taona tao Amparafaravola. Mpifanila trano amin’io lehilahy io, nadalainy matetika ny zanaky ny zaobaviny. Miara-matory amin’ny zandriny ao amin’ny lakozia anefa io ankizy io. Alain’io lehilahy tsy valahara io matory ao aminy ilay ankizivavy rehefa alina. Rahonany ho vonoina […]




