“Aleo handeha ao anatin’ny fangaraharana sy ny ara-dalàna ny fifidianana. Ho hita eo ny mandresy. Vonona hiatrika fifidianana izahay, rehefa tonga ny leran’ny fifidianana”, hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha, Razakandrainy Henri Dominique, manoloana ny fijoroan’ny Vovonana Lera. Ny tsy mety sy voizin’ny Lera: ny fitsanganan’ny andrimpanjakana ara-dalàna ao anatin’ny […]
Taratra
Mpitondra tenin’ny MMM, Rakotomalala Rija : “Tokony hanara-dalàna ny eo anivon’ny Ceni”
Natsikafon’ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga ny fomba fiasan’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nohitsin’ny mpitondra-teniny, Rakotomalala Rija ny fihoaram-pefy ataon’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. “Tokony hanara-dalàna ny Ceni. Tsy voahaja anefa izany. Heno sy hita ary anananay porofo fa mbola mandray anaran’olona amin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo izao. Mbola […]
Filoha Rajoelina – 7 febroary : “Hanamaivana antsika ny fifamelan-keloka”
Nomarihina, omaly tetsy Antaninarenina ny faha-14 taon’ny 7 febroary 2009. Notsiahivin’ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany ilay vavaka nampianarin’ny Tompo, momba ny fifamelana ka tokony hamelana ny helok’ireo rehetra nanao ratsy. “Andriamanitra hamaly ny ratsy sy ny tsara nataon’izy ireo. Antsoina kosa isika hamela ny helok’izy ireo. Hanamaivana antsika izany ary […]
Resaka « Tsalenjy »
Tankina ny vava, sadaikatra ny tanana hanoratra, sanganehana ny saina mandinika azy, tohina ny fo mijery azy ireo. Izay no azo hamehezana ny zava-nisy omaly, tamin’ny tambajotran-tserasera « facebook ». Tsy tahotra tsy henatra ny tanora, mandray anjara amin’ilay resaka fifaninanana, fahasahiana mifanoroka imasom-bahoaka ny samy lehilahy. Ho tambin’izany ny fanomezana vola […]
« Tara jiro » : zanaka filoham-pokontany maty voatifitra
Narahin’ireo dahalo tamin’ny alalan’ny jiro mazava “lampe de poche” teny an-tanany, maty voatifitra ny basy ny zanaky ny sefom-pokontany iray tao anatin’ny distrikan’Ihorombe, ny alin’ny alatsinainy teo. Maty notifirin’ny olon-dratsy ny zanaky ny sefom-pokontany tao Satrokala, distrikan’Ihorombe, afakomaly alina. Tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, nisy olona nihaodihaody tao an-tokontan’ […]