Nanendaka mpianatra nirava, tra-tehaky ny polisy ny telo lahy nitondra antsy teo am-panaovana ny asa ratsiny tao Tanambao Verrerie, ny harivan’ny asabotsy 4 febroary teo. Niandry ny firavan’ny mpianatra, efa nihaodihaody teny amin’ny manodidina izy ireo. Teo am-panatontosana ny fanaraha-maso ny filaminan’ny tanàna ny polisy tamin’izay. Nikasa handositra ireo olon-dratsy. […]
Taratra
Atletisma : hatao ny 2 avrily ny Trail d’Ibity
Tapaka fa hotanterahina ny 2 avrily ho avy izao ny fifaninanam-pirenena amin’ ny Trail 2022. Fifaninanana, hatao any Ibity ary miditra amin’ny andiany fahafito. Hiavaka kely ny amin’ity satria mpifaninana mahatratra 1000 no andrasana, amin’izany ka mety hisy ireo avy any ivelany. Tsy mifidy fa afaka mandray anjara daholo na […]
«Elites LANA» Bordeaux : norombahin-dRandrianasolo Haja ny medaly volamena
Notanterahina, tany Bordeaux ny asabotsy 28 sy ny alahady 29 janoary lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritr’i Bordeaux, Frantsa, taranja atletisma anaty efitrano «Elites LANA». Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany, ilay malagasy Randrianasolo Hajatiana, atletan’ny US Talence. Nifaninana teo amin’ny halavirana 60 m ny tovolahy. Norombahany ny medaly volamena. Nahavita […]
Kianjaben’ny Mahamasina : ahina ho simba ny bozaka filalaovam-baolina
Velona ahiahy ireo mpilalao sy ny mpankafy baolina kitra malagasy, amin’izao fotoana izao. Nohon’ny habetsahan’ny olona tonga tetsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, omaly alahady, navelan’ny tomponandraikitra nikarakara ny lanonana, hitsahina ny bozaka filalaovam-baolina. Nitsinjaka teo ireo vahoaka an’arivony ka ahina ho simba izany bozaka izany, izay tsy bozaka avy eto Madagasikara […]
Rajoelina Andry: hisy fifaninanana isam-bolana eo amin’ ny kianja Barea
«Hikarakara fifaninanana isam-bolana isika izay hatao eto amin’ny kianja Barea ny lalao famaranana», hoy ny filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina, omaly tetsy Mahamasina. Nomarihiny fa mendrika loatra ny zava-bitan’ireo mpilalao, izay ekipa roa sangany, efa manana ny toerany aty Afrika ny hany teo alohan’ny Barea dia i Sénégal sy i Algérie. […]