Taratra

Mbola nahitana vola 1 400 000 Ar : tratra ireo jiolahy namono nahafaty an’i Cynthia tao Toliara

Enina mianadahy voasaringotra tamin’ny fandrobana niharo vono olona tao Toliara renivohitra, ny 26 marsa teo. Nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana izy ireo. Voasambotry ny zandary ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fanafihana narahina vonoan’olona ka nahafaty an’i Cynthia, ilay tovovavy, mpiasana karana ao Tsianaloka Toliara. Ny 26 marsa 2024 teo ireto andian-jiolahy ireto […]

Tranom-piantohana : ho matihanina kokoa ny Mama

Napetraka eo anivon’ny trano fiantohana Mama, ny faran’ny herinandro teo, ny delegasionina mpanara-maso avy amin’ny komity mpanara-maso «Superviseur délégué» sy ny mpiahy ny banky ary ny fitantanana ara-bola CSBF. “Tanjona ny hanatsarana sy hahatonga ity trano fiantohana ity ho matihanina kokoa eo amin’ny sehatry ny fiantohana”, hoy ny governoran’ny Banky […]

Telma : nihena ny saran’ny internet

Anisan’ny firenena tsara tambajotram-pifandraisan-davitra aty Afrika i Madagasikara. Eto amintsika koa no mora indrindra ny saran’ny internet. Nidina ny saran’ny internet atolotry ny Telma, manomboka anio 28 marsa. Tanjona ny hahazoan’ny mpanjifa rehetra mampiasa ny tambajotra na aiza na aiza misy azy araka ny filany avy. Efa marolafy rahateo ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Nanomboka, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ary hitohy anio ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Judo, sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors. Mpikatroka maherin’ny 300 no mandray anjara amin’ny fifanina­nana. Hotontosaina ny 7 avrily ho avy izao, eny amin’ny SRK Karting Imerintsiatosika ny fifaninanana nasionaly, taranja Moto slaloom scooter, dingana […]

AXELLE SY ORLANE : Talanjona amin’ny talentan’ny Malagasy

Nizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fampianarana dihy noentin’ireo vahiny roa vavy teto Madagasikara. Nahaliana ny Malagasy tonga teny Mahamasina izany. Ta­lanjona ihany koa izy ireo amin’ny talentan’ny Malagasy mpandihy. Tao amin’ny La­pan’ny Fanatanjahantena Mahamasina no nanaovana ity fampiofanana dihy an-dRenivohitra «Perfect Your Dance» ity. I Axelle sy […]