Taratra

Lemak’Antananarivo… Arahi-maso ireo vavarano

Mitohy mikija ny orana eto Antananarivo. Nilaza ny Apipa fa arahi-maso akaiky ireo vavarano mandefa ny ranon’orana hivarina any an-drenirano. Miasa andro aman’alina ny ekipa rehetra ary mihodina avokoa ireo Station de pompage enina iandraiketan’ny Apipa manafaingana ny famoahan-drano. Nanentana ireo kaominina rehetra eto Antananarivo sy ny manodidina handray ny […]

Tatitry ny BNGRC… Valo ny maty noho i Cheneso  

Valo  ny olona  maty nandritra  ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny Nosy. Telo amin’izy ireo mbola tsy naharenesana vaovao hatreto.  Mahatratra 17  ireo tsy hita popoka  nandritra izany raha ny tatitra voaray  teo anivon’ny BNGRC, omaly.  Mahatratra 46 394 ireo traboina  manerana ny Nosy.  Tsy maintsy nafindra toerana noho ny  fiakaran’ny […]

 Ambohidratrimo sy Avaradrano ary Atsimondrano… tsy mianatra ny mpianatra rehetra anio sy rahampitso

Vokatry ny rotsak’orana misesy izay miteraka fiakaran’ny rano, tsy mianatra ny mpianatra rehetra eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo.  Amin’ny 30 janoary indray vao miverina ny fampianarana. Namoaka filazana ny Cisco Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo ary Avaradrano amin’ny fanapahan-kevitra mahakasika ny fampiatoana ny fampianarana anio sy rahampitso. Amin’ny alatsinainy […]

Fitantanana sy andraikitra… Efa nikasa hanao mompera Ramim’s saingy lasa depiote

Iza izy ? Rakotomalala Miarintsoa Andriantsitonta  Emmanuel Marie na fantatra amin’ny solon’anarana  Ramim’s. Depiote voafidy tao Ambatolampy ary 35 taona. Manambady sy zanaka telo mianadahy. Sakafo tiany ny legioma sy ny voankazo. Mankafy ny basikety sy ny kitra ary ny “Tennis de table“. Anisan’ny mpihira ankafiziny ny tarika Mahaleo sy […]