Taratra

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly ny fizarana fisotroan-dronono, ho an’ireo mpamorona zokiolona, mpikambana ao amin’ny Omda. Miisa 168 amin’izao fotoana ireo mpanakanto mihoatra ny 60 taona, izay misitraka izany. Isaky ny efa-bolana no mandray ny fisotroan-dronony ireo mpanakanto, ka arakaraka ny fotoana nampiasana ny sanganasan’izy ireo ny tahan’ny vola raisina. « Revy Mahaleo […]

Ady hiragasy Goavambe : hangotraka etsy amin’ny kianjan’ny Kanto

Hitalakotrokotroka ny etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina ! Ireo andrarezin’ny hiragasy no hifandona eny an-toerana, rahampitso tontolo andro. «Hiragasy Goavambe», hifanandrinan’ny tarika Ramilison Besigara Zanany avy any Fenoarivo sy Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fifampitsapan’ny roa tonta! Tarika Ramilison Besi­gara, anisan’ny nahafantaran’ny olona maro […]

« Festival Dôla Beach »: hanafana ny hetsika ry Tence Mena sy Wawa

Hiditra amin’ny andiany faha-12, hotontosaina any Vatomandry, ny 29 marsa hatramin’ny 1 avrily izao ny «Festival Dôla Beach”. Hetsika fanao isan-taona rehefa fetin’ny Paka izy ity, atao any an-toerana. Miara-dalana hatrany ny hetsika ara-javakanto, fialamboly ary ny fanatanjahantena mandritra ny “Festival Dôla Beach”. Anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity taona ity ny […]

Hosodoko : haneho ny talenta sy ny voka-pikarohany i Ashiko Ratovo

Taorian’ny tao amin’ny Cité internationale des Arts, Paris. Anjaran’ny mpankafy hosodoko eto Madagsikara indray ny hianoka ny asa tanan’i Ashiko Ratovo, ao anatin’ny fampirantiana « Tsy manan-kialofana, Sans abri ». Tanterahina eny amin’ny Institut français de Ma­dagascar (IFM) Anala­kely, ny 18 marsa 2024 hatramin’ny 27 Avrily 2024, ny ranty “Tsy […]