Mpiasan’ny SMA efatra no nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo. Nitokona sy voalaza fa nanakorontana ny fifamoivoizana teny Ampasampito izy ireo. Nambara fa anton’ny fitokonana tsy nandray karama izy ireo. Sady nobahanana daba ny arabe no naongan’ny mpanao fihetsiketsehana izany. Naparitan’izy ireo teny an-dalàna, ny fako tao […]
Taratra
Matetika miditra am-ponja: lavon’ny polisy ny jiolahy mpamerin-keloka
Maty voatifitry ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Tsararano Ambany, Mahajanga, omaly maraina, ny jiolahy raindahiny amin’ny halatra arahina herisetra. Efa fanta-daza amin’ny resaka halatra sy fanendahana ao an-drenivohitry ny faritra Boeny ity jiolahy ity. Tsy vitan’izay fa mpamerin-keloka sy efa matetika migadra ihany koa izy, raha ny tatitra nampitain’ny […]
Tafika Malagasy: hifantoka amin’ny fiarovana anatiny
Tontosa omaly ny fandraisan’ny jeneraly Rakotoarivelo Deramasinjaka Manantsoa ny fibaikoana ny Tafika Malagasy. Anisan’ny ho mpisehatra fototra amin’ny fiarovana anatiny an’i Madagasikara ny Foloalindahy. Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny famindram-pibaikoana teo amin’ ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika (CEMA) teo aloha, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ny jeneraly […]
Rano sy fidiovana : fiaraha-miasa amin’ny UE sy ny USAID
Noraisin’ny minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy Fidiovana (MEAH), Ravokatra Fidiniavo, omaly, ny avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny USAID. Noresahana nandritra ny fihaonana tamin’ny masoivoho eoropeanina, Rtoa Isabelle Delatre Burger, sy ny delegasiona avy any Bruxelles niaraka taminy, ny tetikasa hiasan’ny UE eto amintsika. Toy ny PIAA […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 6 000 Ar ny kilaon’ny siramamy mavokely eny amin’ny mpaninjara, raha 5 000 Ar izany, ny herinandro lasa. Midangana koa ny vidin’ny legioma, satria hamidy 6 000 Ar ny kilaon’ny karaoty, izay tsy mbola nisy toy izany hatramin’izay. 6 000 Ar koa ny kilaon’ny tongolobe eny an-tsena. Hanofa fiaramanidina […]




