Taratra

FANTINA sy FINTINA

Nifanakalo hevitra sy nifampizara vaovao tamin’ireo mpisehatra politika ny eo anivon’ny Ceni, omaly, teny Alarobia. “Natao izao mba hananana fomba fijery mitovy amin’ny paikady sy ny fampiharana ny lalàna amin’ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsene. Nanteriny fa natao hampanjakana ny demokrasia koa izany. Niofana sy nanao atrikasa […]

Pnud sy ny USAID: nanamafy traikefa ny mpiasam-panjakana ambony

Nifarana omaly, rehefa naharitra efatr’andro ny fanofanana ireo mpiasam-panjakana ambony, teny amin’ny sekolim-pirenena misahana ny fitantanan-draharaham-panjakana (Enam). Angady nanana sy vy nahitana izany ny sekoly sy ny eo anivon’ny Pnud ary ny avy amin’ny USAID. “Tombony amin’ny fiofanana ny nanabeazam-boho ny fahaizana eo amin’ny haitarika. Ilaina izany amin’ny sehatrasam-panjakana fa […]

Hentitra fa tsy henjana!

  Nanaitra ny nahita ny hetsika nataon’ny mpiasa mpandraoka fako eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly tolakandro. Tampoka teo niara-nihetsika tamin’ny tanàna maromaro izy ireo. Mazava ny fitakiana, fandoavana ny karamany nandritra ny folo andro, nanaovana ilay hetsika nampanantenain’ny filohan’ny delegasiona manokana. Lasa tokoa izay ny folo andro, miandry ny […]

Filoha Rajoelina Andry : “Tsy maintsy tadiavintsika ny hampandrosoana ny firenena”

Nandray ireo delegasiona avy amin’ny Biraon’ny Firenena mikambana misahana ny fanohanana ireo tetikasa (Unops ) sy ny Banky iraisam-pirenena ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Iavoloha. Niompana amin’ny tetikasa fampandrosoana ny dinika tamin’izany. Nihaona fanintelony, teny Iavoloha, ny iraka notarihin’i Seck sy ny fitondram-panjakana malagasy, omaly. Nambaran’ny filoha, Rajoelina Andry, […]

TSELATRA

Olona fito indray naratra. Io ny vokatry ny lozam-piarakodia nitranga tao Tsarasaotra Ambositra, omaly. Taksiborosy Sprinter iray avy any Fianarantsoa hiakatra aty Antananarivo no tra-doza tampoka. Vokatry ny fandehanana mafy ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara no voalaza fa antony nahatonga ny loza. Tsy nisy ny aina nafoy. Nentina […]