Mitombo isa indray ny zava-pisotro vokarin’ny Star. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny foibe Andraharo ny Racines. Zava-pisotro misy alikaola izy ity, saingy tsy anatin’ny sokajy labiera. “Akora misy eto an-toerana, dia ny cola sy ny arthémesia no laro ao anatiny. Avy amin’ izay faka izay rahateo ny anaran’ity […]
Taratra
Seha-pihariana Lavanila: nampiditra 46 miliara Ar ao anatin’ny CNV
Tao anatin’ny iray volana, niakatra ho 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra momba ny lavanila, raha toa ka 28,5miliara Ar izany teo aloha. Mahomby ny tarigetra napetraka. Tafakatra hatrany amin’ny 46 miliara Ar ny vola voaangona ao anatin’ny kitapom-bolan’ny Filankevitra nasionaly momba ny lavanila (CNV). Taratry […]
Rakotomanana Honoré : “Mafy ny lalàna nefa tsy maintsy ampiharina”
“Amin’izao fotoana izao aloha, fa mety mivoatra ny zava-drehetra: izay aloha no hitany fa lalana azo aleha amin’ny famaizana amin’ny raharaha fanolanana. Efa nahazo ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) rahateo ny lalàna. Mafy ny lalàna nefa tsy maintsy ampiharina”. Io ny nambaran’ ny mpahay lalàna izay efa […]
Toamasina : nidina an-dalambe ny vahoaka
Tsy tana intsony ! Raikitra ny savorovoro tao an-drenivohitr’i Toamasina, halina. Andaniny, nidina an-dalambe ny vahoaka noho ny fahatapahan-jiro lavareny any an-toerana. Nandoro kodiarana, nanapaka arabe izy ireo. Ankilany, niezaka nifehy ny hetsiky ny mponina ny mpitandro filaminana. Niafara tamin’ny fanaparitahana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso izany. Ireo vahoaka kosa namaly tamin’ny […]
Razanamahasoa Christine: “Tsy resaka fanoherana no naleha tany Frantsa”
Tonga, afakomaly, avy any Frantsa, Razanamahasoa Christine. Avy niatrika ny fivorian’ny vehivavy filohan’ny Antenimierampirenena maneran-tany izy tamin’izany. “Fanasana ny vehivavy filohan’ny Antenimierampirenena maneran-tany fa tsy hoe fanasana ny mpanohitra no anton-dia tany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina, ny amin’ny diany tany Frantsa, izay […]




