Renim-pianakaviana iray naratra nianjera avy eny ambony taxi-be, omaly maraina, teny Ankadimbahoaka. Handeha hiasa eny amin’ny orinasa afakaba iray eny an-toerana izy, kanjo izao tra-doza izao. Olona tsara sitrapo no nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana. Efa nahazo ny fitsabona sahaza azy izy. Mpanendaka iray niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe tsena, omaly atoandro. […]
Taratra
Nandritra ny telo taona: tratra ilay rangahibe nanolana ny zanany vavy
Io indray koa! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, teny Anosizato Atsinanana, omaly, ny rangahibe iray 63 taona nanolana ny zanany vavy. Ny mpiara-monina aminy eo Anosizato no nampandre ny polisy momba ny fisian’io rangahibe manao fihetsika feno habibiana amin’ny zanany vavy 18 taona io. Tonga […]
Beraketa: Karandalana nivadika, maro ny naratra
Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny lalam-pirenena RN 13, tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Karandalana iray hihazo an’i Taolagnaro no niharan-doza tampoka teny am-pandehanana. Maro ireo mpandeha naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fanazavan’ny mpamily, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, noho […]
Nampangain’ny kodiarana : maty voatifitra ny iray tamin’ireo jiolahy mpamaky fiara
Lavon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 2 ora maraina, ny iray tamin’ireo jiolahy tompon’antoka tamina famakiana fiara narahina halatra. Nahazo antso tamin’ny finday ny kaomandin’ny tobim-paritra nampilaza fa misy andian-dehilahy mampiahiahy mitondra fiara eny Ambohinaorina, kaominina Sabotsy Namehana, tamin’io fotoana io. Fotoana fohy taorian’ny antso, tonga […]
Trail – « Aina no Fetra »: ny 23 marsa ho avy izao ny andiany faharoa
Hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, eny amin’ny Cemeam Ankadikely Ilafy, ny andiany faharoa amin’ny fifaninanana Trail “Aina no Fetra”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Ny Mainty Manga ho an’ireo tanora sy mpankafy ity taranja ity. Raha ny fanazavana nomen’ny mpikarakara, misy sokajin-dalao roa ny fifanintsanana. Hisy ny hazakazaka amin’ny halavirana 12 km, […]




