Manana adidy amin’ny lafiny tontolo iainana ny orinasa Airtel Madagasikara. Miisa 1 100 ny zana-kazo (acacia, kininina, frêne) nambolena teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 16 febroary teo. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Catherine Tchokonte, fa « efa fanao mahazatra isan-taona ny fambolen-kazo, hananana tontolo maitso sy ho an’i Madagasikara. Vonona isika ho […]
Taratra
Fadintseranana malagasy : nahazo ISO 9001-2015 ny « centre de valeur »
Sorodalana apetraky ny fadintseranana malagasy ny fahazoam-bokatra ara-kalitao sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Tratra ny tanjona, nahazo ny ISO 9001-2015 avy amin’ny orinasa Certi-Trust ny « centre de valeur »n’ny fadintseranana malagasy. «Voalohany amin’ny sampandraharaham-panjakana mahazo ny Certification ISO 9001-2015 ny Centre de valeur’ny Fadintseranana Malagasy”, hoy ny tale jeneralin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ilay lalàna momba ny fanolanana “Castration”, araka ny nambaran’ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina (UE), Isabelle Delattre. “Voalaza ao anatin’ny Lalàmpanorenana malagasy ny fanamelohana ny fanaovana habibiana amin’ny maha olona”, hoy izy. Tsy afapo tamin’ny fifidianana filoham- pirenena farany teo ny Vondrona Eoropeanina (UE). Nambaran’izy ireo teny Ankorondrano, […]
Fiatrehana fifidianana : manohy tolona iarahana ny MMM
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, fa vonona handray anjara hatrany amin’ny fifidianana rehetra izy ireo. Tahaka ny efa nataony hatramin’ny nijoroan’ity antoko ity. “Asa andavanandron’ny antoko politika izany ary tsy zava-baovao… Misy koa anefa ny fandaminana amin’ny fiarahana eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy amin’ny fifidianana depiote ho […]
Vola fô mikoragna !
Mahoraka ny famonoana olona ankitsirano, tsy mandalo fitsarana ataon’ny mpitandro filaminana. Samy hisehoan’izany na ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe. Tsy mifidy lasibatra io fa na olon-tsotra na samy mpitandro filaminana aza. Izay maty dia maty tsy misy tohiny. Toa zary voadingana ny resaka zon’olombelona hahazo fitsarana ara-drariny. Betsaka ny fanazavana […]




