Taratra

Fifidianana depiote : efa maka bahana Razanamahasoa Christine

Efa fampisehoan-kery hiatrehana ny fifidianana depiote? Nifampiarahaba noho ny taona vaovao tamin’ny vahoakan’ Ambatofinandrahana ny filo­han’ny Antenimierampire­nena, Razanamahasoa Christine mivady, ny herinandro teo. Vory marobe ireo vahoaka no­tarihin’ireo ben’ny Tanàna miisa 9, miaraka amin’ny filohany, i Hajarilala Volo­lomboa­hangy, ben’ny Tanàn’ Ambon­dromisotra. Eo koa ireo sefo fokontany miisa 21 ary ireo fikambanana […]

Kôlekitifa an’ny Malagasy : Hanana kandidà iraisana

“Handrotsaka kandidà izahay amin’ny fifidianana depiote, ary efa eo am-panomanana izany fa tsy hoe mijoro manohy ny tolona fotsiny”, hoy ny filohan’ny ARB, Raobelina Andry. Ahitana ny ARB, ny MTS, ny MMM, ny FMI Malagasy, ny Firaisankinan’ ny tia tanindrazana, tao amin’ny vondron’ny kandidà tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izy ireo. […]

Fahazoana galona Jeneraly: “Aoka ho modely isika”, hoy ny Jly Sahivelo Delphin

Noraisin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny Ampahibe, omaly, ireo manamboninahitra jeneraly 18 mirahalahy avy amin’ny Tafika malagasy. Nandritra izany no nametrahany ny galonan’izy ireo, sy nanaovany teny firariantsoa mifandraika amin’izany. Notsindriny mazava koa fa natao hiaro ny Andrim­panja­kana mijoro izy ireo, ary tokony ho […]

INDRAY MIJERY

Tontosa ny sabotsy teo ny fivoriam-paritry ny mpikambana Nifin’Akanga. Nandinihina ny hetsika sy tetikasa notanterahina teo aloha sy nandrafetana ireo tetikasa hoavy ny fihaonana. Taratra teo koa ny fanamafisana ny fanoloran-tenan’ny mpikambana ho an’ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy. Natao koa ny fifidianana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny biraon’ […]

Minisiteran’ny Mponina : mikarakara fifaninanana ho an’ny vehivavy

Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny Andron’ny vehivavy ny fifaninanana karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina mahakasika ny tantaram-pahombiazan’ny vehivavy sy ny ankizivavy. Lohahevitra telo no voizina amin’izany dia ny fijoroana vavolombelona na ny fizarana ny fahombiazana amin’ny fampiasana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ho an’ireo tokantrano mampiasa ny fandrindram-piterahana. Manaporofo fa mitondra […]