Taratra

Sambava : Polisy monisipaly iray maty voafaokan’ny fiara

Tsy tana ny ain’ny iray tamin’ireo polisy monisipaly voafaokan’ny fiara tra-doza iray tao amin’ny RN5a, PK 385 + 850 tao amin’ny fokontany Sambava Centre, omaly maraina. Nisy olana tampoka teo amin’ny familiana, ni­fatratra tamina polisy monisipaly nanatontosa ny fivondronana rehefa fiatombohan’ny herinandro tao amin’ny Fokontany Sam­bava Centre ny fiara kely […]

Fizalaotra – Toamasina : mifanampy amin’ny sosialy sy toekarena

Nifoha tamin’ny torimasony, raha somary nisedra olana sy nangingina ny fikambanan’ny zanaka ampielezan’ Am­batondrazaka, Andilamena ary Amparafaravola, amin’ny hoe Fizalaotra ka monina eto Toamasina. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny efitrano malalaky ny tobin’ny zandary amoron-dranomasina ny fivoriambe nandaniana ny sata sy fitsipika vaovao mifehy ny fikambanana ary taorian’ […]

Andalana hirodana ny harena an-kibon’ny tany

Na izany aza, namoaka fanehoan-kevitra ny vondrona mpandraharaha amin’ity se­hatra ity ny taona 2022. No­tsorin’izy ireo, fa « eo andalana hirodana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany ». Efa nisy fotoana nanairan’izy ireo, fa tsy voahaja ny lalàna, tsy mivoaka ny taratasy fahazoan-dalana, efa ho 13 taona izao. Nasongadin’ny mpandraharaha ao anatin’ilay […]

Harena an-kibon’ny tany: tokony hitondra fampandrosoana, saingy maro ny sakana

Voasoratra mazava ao anatin’ny Drafitrasa hisandratan’i Madagasikara (PEM), fa sehatra lehibe hisarihana ny mpampiasa vaola vahiny (IDE), hitondra fampandrosoana ny harena an-kibon’ny tany. Etsy ankilany anefa, mitsotra ny mpandraharaha fa mifanohitra amin’izany ny zava-misy, toy ny tsy fivoahan’ny fahazoan-dalana, ny fihantonan’ny asa fitrandrahana ho an’ireo mpampiasa vola efa eto an-toerana. […]