Taratra

Fifampikasohan’ny herinaratra: trano roa kilan’ny afo tetsy Namontana

Kila hotohoton’ny afo ny trano lehibe miisa roa teny Na­­montana sy Mandrangom­bato, ny sabotsy 20 jona lasa teo.  Niezaka nihatrana ara-potoana taorian’ny fahazoana loharanom-baovao ara-potoana ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina tamin’ireo fotoana nitrangan’ny fahamaizana ireo.  Niredareda voalohany ny afo tao amin’ny to­kantrano iray tao Mandran­gom­bato II, ny harivan’ny sa­botsy lasa […]

Lalana Taolagnaro-Vangaindrano: ho vita tanteraka ny RN12A amin’ny avrily 2028

Efa vita godirao tanteraka ny ampahan-dalana RN12A, miainga eo Taolagnaro hatrany Ebakika, mirefy 45 km. Kasaina ho vita tanteraka ny ambiny hatrany Vangaindrano. Vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny volana avrily 2028 ity lalana ity. Mitotaly 232 km ny la­lam-pirenena RN12A, miainga eo Taolagna­ro hatrany Vangaindrano, ahitana fiampitana baka miisa 12. […]

Vonoan’olona: lehilahy hita faty tapa-doha

Namoy ny ainy vokatry ny sotasota natoan’ny olon-dra­tsy indray ny lehilahy iray 45 taona tamin’ny fokontany Anki­mimasy, Amba­rognabo Ampa­nihy Andrefana, ny faran’ny he­rinandro teo. Vatana mangatsiaka, novantanin’ny fianakavian’io raim-pianakaviana manana toe-tena varira io.  Tsy nisy loha intsony ilay la­sibatra nandritra ny fahitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra azy, tamin’io fo­toana io. […]

Baolina kitra –1/8 Yas Coupe 2026: Mbola hihaona indray ny Ajesaia sy ny Disciples FC

Efa fantatra avokoa ireo ekipa mpifanandrina mandritra ny ampahavalon-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe », taorian’ny antsapaka nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny pejiny, omaly. Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, «Yas Cou­pe 2026», ny Ajesaia Bongo­lava sy ny Disciples FC Vaki­nankaratra. Tsiahivina […]