Mbola notanana am-ponja vonjimaika ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka ny vadiny, tetsy Ambohimiandra. Miandry ny valim-pitsarana ny 16 marsa izao, mitaky ny hampiharana ny lalàna ny fianakavian’ilay lasibatra. Niakatra fitsarana, afakomaly, ilay lehilahy nanondraka rano mangotraka sady nikasi-tanana ny vadiny izay nitaiza kely. Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny fitsarana, averina […]
Taratra
Fidirana an-tsokosoko : misy malagasy miray tendro amin’ireo maorisiana
Mitohy hatrany ny famotorana momba ilay sambokely nitondra teratany maorisianina niditra an-tsokosoko tao Vohémar herinandro vitsy lasa izay. « Misy ny teratany malagasy vitsivitsy ahina fatratra nifandray tamin’ireo olona niditra an-tsokosoko », hoy ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria. Notohizany fa mifandray amina resaka zava-mahadomelina mahery vaika ihany ity raharaha ity. […]
Fivadiham-pitokisana : mpiasa nangalatra 1 tapitrisa
Voaheloka higadra 8 volana an-tranomaizina, miampy lamandy enina alina sy roa hetsy, omaly, ny lehilahy iray. Nangalatra volan’ny mampiasa azy tetsy 67 Ha izy. Roa lahy ny mpiambina no nijanona tao an-tsena. Nilaza hody ilay mpangala-bola tamin’ny alina nahaverezan’ny vola. Nisy fotoana anefa, niserana tao an-tsena izy. Noho ny maraina, […]
Vazaha migadra : voasambotry ny zandary
Nifanena tamin’ireo zandary mpanao fisafoana afakomaly maraina tao Antonibe Analalava ilay teratany vahiny tafavoaka ny fonja tao Mampikony. Gadra nandositra izy. Misazy noho ny resaka vono olona. Ny 12 febroary teo tafavoaka ny fonja ny tenany. Tsy fantatra ny fomba nahatafavoahany tao. Ny ampitson’io, nivoaka avy hatrany ny filazana fikarohana […]
Fanendahana mpianatra : roa lahy tratra niaraka tamin’ny kitapo feno entana
Saron’ny polisy tao amin’ny ANS Ampefiloha, omaly, ireo tovolahy nangalatra entana mpianatra. Tsy miasa izy roa lahy. Tsy ampy taona ny iray. Naharay antso avy tamin’ny fibaikoana ny hery vonjy taitran’ny polisy ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahefatra. Voalaza tamin’izay ireo entana mpianatra very. Nisokatra tamin’izay ny famotorana. Nandefa polisy […]