Anisan’ny volavolan-dalàna hoentina hodinihin’ny solombavambahoaka amin’ity fivoriana ara-potoana faharoa ity ny momba ny rafi-pampianarana eto Madagasikara hampidirana anatin’ny fanabezana manara-drafitra ny akany fibeazana. Dingana tsy maintsy lalovana ny akany fibeazana ary hitohy 10 taona ny fanabeazana maimaim-poana ho an’ny zaza malagasy rehetra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, i Sahondrarimalala […]
Taratra
Tim Frantsa: tsy hilefitra amin’ny hala-bato
Namoaka fanambarana ary niantso fampivondronana hery ny Tim any Frantsa, ny 14 novambra teo. Nentanin’izy ireo amin’izany ireo mpandala ny demokrasia, ny olon-tsotra, ny mpandraharaha. Ireo misehatra amin’ny toekarena sy sosialy ka mitovy fomba fijery, vonona handray anjara mavitrika ho amin’ny fanarenana ny firenena. “Amin’ny alalan’ny fifidianana no hitondra antsika […]
Filoha Rajoelina Andry: manampy hatrany ny fiangonana
Fitohizan’ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fanjakana. Nanolotra fanampiana amin’ny fananganana na fanavaozana tranom-piangonana hatrany ny filoha Rajoelina Andry. Namoaka ny ampahan’ny tatitra momba izany ny sampan-draharaha misahana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana amin’ny ara-pinoana (DRCC) eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, afakomaly. Anisan’ny nisitraka izany ny fiangonana vaovao na nohatsaraina izany […]
Raholinarivo Paolo: “Mila politika matotra ny fitandroana filaminana”
“Avy amin’ny tsy fananana politika fitandroana filaminana matotra ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ny tsy fandraisana andraikitry ny tomponandraikitra mifanandrify amin’izany”, hoy ny filohan’ny sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo. Ny fitondram-panjakana no tompon’ny fitandroana filaminana: ny prefet sy ny lehiben’ny distrika raha any amin’ny lafintany, ary ny Praiminisitra raha […]
Andriamoraniaina Niaina Harijaona: “Aoka tsy hiandry savorovoro vao hifampidinika”
“Tsy hiandry efa misy savorovoro isika vao hiady hevitra momba ny hanatsarana ny tontolo mialoha ny fifidianana sy ny lalàna enti-mitantana ny fifidianana hahazoana manana fifidianana matotra”, hoy ny mpandrindra teknika ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Niaina Harijaona, teny Analakely. Eo koa ny fahazoana manana rafitra hikarakara fifidianana matotra ary hahazoana […]