Mila paikady mahomby ny fitantanana ny toekerana hisorohana ny fisondrotry ny vidim-piainana, manoloana ny zava-misy maneran-tany. Tsy tokony hihoatra ny 7,7% ny vidim-piainana ho an’ny taona 2024. Mandalo ady sarotra izao tontolo izao manoloana ny ady miseho any Ukraine, Israël ary ao amin’ny Ranomasina Mena izay ahina hiantraika eo amin’ny […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Hatao ny 8 febroary izao, ny fiofanana maimaimpoana miompy trondro, eny amin’ny efitrano malalaky ny minisiteran’ny Jono (MPEB) Ampandrianomby, manomboka amin’ny 8 ora 30 mn. Mahakasika ny fiompiana an-dobo, an-tanimbary, ny sakafon-trondro, ny famokarana zana-trondro tilapia sy karpa ny fotoana. Eo koa ny fitantanana. Miisa 28 000 ny zana-kazo ambolena […]
Lalam-pirenena RN1: nohamafisina ny tetezamby Antanetimboahangy
Ankoatra ny fametrahana tetezamby, misy asa fanampiny ihany koa ataon’ny Fitantanam-paritry ny asa vaventy (DRTP) Itasy, any Antanetimboahangy Analavory, amin’ny lalam-pirenena voalohany, RN1, eo amin’ny PK 104+800, nanomboka omaly 5 febroary. Nohamafisina ny andrin-tany ao ambanin’ilay tetezamby, izay marihina fa arabe nihotsahan’ny rano, vokatry ny orambe. Nametrahana rarihazo sy gonim-pasika, […]
Fanatsarana ny fiompiana: tokony hihoatra ny 10 kilao isan-taona ny fihinanan-kena
Natao, omaly, teny Ampandrianomby, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny kojakojam-piompiana ho an’ny tantsaha. Vola madiodion’ny fanjakana ny nahazoana azy ireo, entina hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Avy amin’ny fiompiana ny 60%-n’ny fidiram-bolan’ny tantsaha eto amintsika. Ao anatin’ny paikadin’ny fanjakana ny hampiakarana ny famokarana, amin’ny alalan’ny fanohanana ny tantsaha, hanatsarany ny […]
TARATRY ny KANTO
Bolo etsy amin’ny Ethnika Analakely. Ilay hira “Ravitoto” no nahazoan’i Bolo ny amboara tao amin’ny sokajy “pop solo”, nandritra ny “RDJ Mozika 2023”, ny alahady teo. Ho fankasitrahana ny mpankafy ny fiarahana hatao ny sabotsy 10 febroary izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana amin’ity “show […]




