Hanomboka rahampitso 3 marsa ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina sy Petit Palais ny fifaninanana “Alley Hoop FIBA 3×3”, taranja basikety. Tafakatra 700 ny mpilalao nisoratra anarana ahitana ekipa 171. Raha toa ka ny sokajy U17, U23 sy Seniors ihany no noeritreretina hifaninana, ahitana ny sokajy Vétéran ary ny Super Vétéran […]
Taratra
Barea Can 2024: niteraka resabe ny lisitra navoakan’i Dupuis
Nahagaga ny mpankafy baolina kitra ny lisitr’ireo mpilalao Barea miisa 30 lahy navoakan’i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera, ny alarobia 1 marsa lasa teo. Tafiditra ao anaty «pré – liste» ireo mpilalao efa nilaza fa tsy hanao ekipam-pirenena intsony. Anisan’izany ry Jeremy Morel, Abel Anicet. Tsy ao […]
Volley-CAVBZone 7: tafita amin’ny manasa-dalana ny GNVB vehivavy
Solontena malagasy tokana hiatrika ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika ho an’ny klioba tompondakan’ny faritra faha-7, taranja Volley ball, ny GNVB vehivavy. Samy raraka teo amin’ny ampahefa-dalana avokoa ny Stef’Auto sy ny GNVB lehilahy. Hiatrika ny lalao manasa-dalana, anio, ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie nationale de Volley ball), sokajy vehivavy, […]
AJT Toamasina : voafidy ho filoha indray i Sajo
Natao ny alarobia teo tao Toamasina ny fivoriambe nanatanterahana fifidianana ny ho filoha sy ny ekipa handrafitra ny birao hitantana indray ny fikambanan’ny mpanao gazety eto Toamasina (AJT), mandritra ny efatra taona manaraka. Miisa 54 ireo mpanao gazety tonga nanatrika izany. Kandidà tokana tsy nisy nifaninana ny teo amin’ny toeran’ny […]
Ho an’ny zanak’i Fianarantsoa : miantso firaisankina sy fitoniana ny Fizafafi
“Mitondra hafatra ho an’ny zanak’i Fianarantsoa tsy ankanavaka izahay. Aoka hitandrina toy ny anakandriamaso ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana isika; aoka handala ny fifankatiavana sy ny fihavanana ary ny fandeferana.” Io ny fanambaran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi), novakin’ny filoha lefitra, Razafimandroso Aurelien, teny Ambatoroka, afakomaly, manoloana ny kabarin’ny […]