Taratra

Fivoaran’ny teknolojia : Asa hatramin’ny 40% no very

Mihazakazaka ny Fivoaran’ny teknolojia. Manova tanteraka ny toekarena ny niomerika ka lasa fanoitra amin’ny fampivoarana sy famoronana. Miantoka ny fifaninanana eo amin’ny tsena ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina Artifisialy (IA). Manampy amin’ny famoronana asa sy ny hitrandrahana ny tse­na izy saingy sakana ho an’ny fitadiavan’asa ho an’ny tanora. Nivoitra izany nandritra […]

FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny naoty fanerena ny mpiasam-panjakana hanatrika ny matso eny Mahamasina ny minisitry Seresera sy ny kolontsaina, Gascar Fenosoa. « Tsy marina velively ary tsy avy amin’ny fitondram-panjakana iny naoty iny. Ireo efa naloan’ny vahoaka no mivoy izany mba hankahalana ny fitondrana mijoro sy ny tenako minisitra », hoy izy. Nankalaza ny […]

HCC : Vita fianianana ireo mpanolotsaina avo vaovao

Vita fianianana tamin’ny fotoam-pitsarana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Am­bohidahy, omaly, ireo mpanolotsaina avo roa vaovao, izay vao nofidian’ny Antenimieram­pirenena. Tsy iza fa Vazison Honoré sy Razafindramasy Faralahy Célestin, izay mpandimby toerana an’ireo roa vao nametra-pialana tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo. Tamin’ny fianianana, nanolo-tena hanatanteraka antsakany sy andavany […]

Fandriana fahalemana

  Tsy misy tanàna tsy itrangana tsy fandriampahalemana na asan-jiolahy; eny, na amin’ izay firenena faran’izay mandroso aza. Na izany aza, mila mahazo antoka ny olom-pirenena fa misy ny fiarovana azy sy ny fananany. Eo ny hoe tsy misy fampandrosoana, raha tsy misy fandriampahalemana. Tsy azo lavina koa, tsy misy […]

Depiote Randrianasolo Jean Nicolas: « Aza resahina intsony fa tsy nisy fanonganam-panjakana teto »

Nitondra fanazavana momba ny fahitany ny zava-misy eto amin’ny firenena ny depiote voafidy tao Betroka, Randrianasolo Jean Nicolas. Nohamafisiny nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny Antaninarenina, fa tsy nisy fanonganam-panjakana mihitsy teto, ka aza resahina intsony izany. Mifamahofaho ny zava-misy eto amin’ny firenena satria mbola misy ireo tsy […]