Taratra

Seha-pampandrosoana : namatsy vola 600 tapitrisa dolara ny Banky Iraisam-pirenena

Vonona hanohana an’i Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Voakasik’izany ny fampiroboroboana ny fahazoana angovo, ny fifandraisan-davitra niomerika ary ny fambolena. Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Ban­ky Iraisam-pirenena, ny 30 marsa 2023 teo, ny famatsiana tetikasa mitentina 600 tapitrisa dolara, fampindramam-bola an’i Madaga­sikara. Hoentina hanohanana ny sehatrasa mitondra fampandrosoana, amin’ny lafiny […]

Autisme Madagascar : “Tsy misy politika fiahiana ny olona marefo”

Nanadihady momba ny fiahiana manokana ny olona manana fahasembanana nandritra ny fisian’ny valanare­tina Covid-19 tao anatin’ny faritra enina be mponina in­drindra ny fikambanana Au­tisme Madagascar. « Mitovy isika miatrika ny Covid-19 » ilay tetikasa ary niompana tamin’ny faritra Boeny, Atsi­nanana,Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana ary Analamanga. Nivoitra taorian’ny fanadihadiana notanterahina nandritra ny […]

Seces Fianarantsoa : “Aza andrasana hihetsika ny mpampianatra…”

Manoloana ny hetsika fitakiana nataon’ny mpianatry ny oniversiten’Andrainjato ta­min’ity herinandro ity, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Fianaran­tsoa fa toherin’izy ireo ny fidiran’ny mpitandro filaminana ny faritry ny oniversite sy ny fanalana ny “franchise universitaire” nahafahan’izy ireo niditra sy nisambotra mpi­anatra nandritra ny hetsika. Nanelingelina sy nampisavoritaka ny […]

American Corner : maimaim-poana ny antontan-kevitra ao amin’ny eLibraryUSA

Notanterahina teny amin’ ny American Corner Anta­na­na­rivo ny fampianarana manao fikarohana avo lenta amin’ny tambajotra internet, nataon’i Marcy Carrel, talem-paritry ny fifandraisana amin’ny daholobe, ao amin’ny masoivoho amerikanina. Nasehon’i Marcy Carrel an’ireo mpitantana ireo ny fomba fampiasana ny kara­zana antontanisa sy antontan-kevitra maimaim-poana, ao amin’ny eLibraryUSA. Ahi­tana asa fikarohana avo […]

Vokatry ny fisotroana toaka : 0,5% ny zaza voan’ny aretina eto Madagasikara

Ambony ny tahan’ny zaza marary eto Madagasikara raha oharina amin’ny maneran-tany. Vokatry ny fisotroan’ny reny mitondra vohoka sy mandritra ny fampinonoana, toaka izany. Misy fiantraikany amin’ny vatany sy ny atidohany ary ny toe-piainan’ny zaza izany, raha ny nambaran’ny mpitsabo. Zaza 1 hatramin’ny 3 amin’ ny arivo ny zazakely tra­tran’ny aretina […]