Nanana ny toerany tamin’ity taona 2023 ity, ny fanamboaran-dalana. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fahavitan’ny lalam-pirenena RN9, ny RN44, raha mbola mitohy ny asa any amin’ny RN13. Notokanana ny volana aogositra 2023 teo ny lalam-pirenena RN9. Mirefy 165 km ny lalana natao godirao tanteraka, izay nizara roa. Eo Analamisampy hatrany Bevoay, […]
Taratra
Ao anatin’ny telo andro misesy: misy taratra andro ratsy, ho betsaka ny rotsakorana
Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana omaly. Misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Niseho nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso faran’ny taona izany.Tombanana hitondra rotsakorana betsaka manodidina ny 60 hatramin’ny 90 mn/ora any amin’ny ilany afovoany Andrefan’ny Nosy izy io. Ahina, araka izany, ny hahabetsahan’ny rotsakorana. Mbola malefaka […]
Ankatso: narenina ny fitaovana famatsian-drano
Olana matetika aroson’ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo, eny Ankatso, ny tsy fahampian’ny rano ampiasaina. Nametraka fotodrafitrasa ny tomponandraikitra ary nasiana fanarenana ny simba taorian’ny andrana natao. Taorian’ny andrana natao, hita fa efa feno tanteraka ny fepetra ahafahana manome rano madio fisotro ho an’ny mpianatra eny Ankatso I sy ny […]
Mpianatra tsy tafody any Fianarantsoa: nahazo tolotra avy amin’ny fikambanana Fizafafi tanora
Nanao asa sosialy ho an’ny mpiray Tanindrazana teto an-toerana ny fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (FIZAFAFI Tanora), omaly. Nisitraka izany ireo mpianatra mianatra eto An-drenivohitra tsy tafody any amin’ny faritany niaviany ka mijanona manao fety eto an-toerana. Tanjon’ny fikambanana ny hampanjaka ny firaisan-kina ao anatin’ny faritanin’ny Fianarantsoa. “Midika fa manome […]
Manodidina ny andro fety: manjaka ny aretin-kibo sy ny fivalanana indrindra ny ankizy
Nanomboka tamin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely hatramin’izao. Nahitam-pitomboany ny trangana aretin-kibo sy fivalanana teny anivon’ny toeram-pitsaboana. Noho ny tsy fitandremana eo amin’ny sakafo no anisan’ny antony mahatonga izany, hoy ny mpitsabo. Niha nirongatra ny aretin-kibo sy ny fivalanana eo amin’ny ankizy sy ny olon-dehibe, indrindra amin’ny fotoanan’ny fety toy izao. […]




