Distrika 83 ahitana tranga betsaka eto Madagasikara, ary olona miisa 15 324 583, no nisitraka fizarana fanafody faobe fanefitry ny « filariose lymphatique » na ongobe. Tafiditra amin’ny fisorohana ara-pahasalamana ny hetsika ary ao anatin’ny paikady manatona vahoaka. Fanafoanana ireo aretina ireo alohan’ny taona 2030 no tanjona amin’ny fizarana fanafody ho an’ny daholobe. […]
Taratra
CSB U Tsihombe: niakatra ny tahan’ny ankizy vita vaksiny
Midadasika satria 110 ny fokontany sahanin-drasazy Razafy Felicia Dianne Louise, ao amin’ny CSB U Tsihombe. Nanova ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka izy satria nahomby ny paikady fanentanana notarihiny niarahana tamin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fahasalamana amin’ny faritra Androy. Mavitrika, mahatoky ary nanatsara ny andraikitra nosahaniny indrindra […]
Taratry ny kanto
Na somary mbola vitsy aza, manomboka mahafantatra sy manaja ilay fiverenana eny ifotony ny Malagasy. Mipoitra etsy sy eroa ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba amam-panao. Nanjary liana amin’izany resaka izany ny Malagasy. « Tsy antsika io 1 janoary io. Diso io 1 janoary io. Isika manana ny volana marsa… » ! Na izany […]
“La nouvelle terre, Ilay tany vaovao”: mpahay kanto dimy no hanatontosa ny fampirantiana
Mandray anjara amin’ny fitaizana sy fanabeazana ho an’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny haikanto sy ny ivontoerana misehatra eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina. Hotanterahina ny 6 janoary 2024, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka, ny fampirantiana “La Nouvelle Terre, Ilay Tany Vaovao”. Mpahay kanto miisa dimy, samy manana […]
Matahotra ny mpikarakara hetsika: nihavitsy ny lanonan’ny faran’ny taona
Somary mangingina ! Nitombo isa ireo nisafidy hijanona sy hanatanteraka lanonam-pianakaviana ao an-trano !… Mandalo fahasahiranana ny ankamaroan’ny Malagasy !… Ireny rehetra ireny mitambatra no niteraka tahotra ho an’ny mpikarakara hetsika faran’ny taona. Sao sanatria vitsy ny ho tonga. Na ireo toerana na efitrano anisan’ny manana ny lazany amin’ny fampiantranoana lanonana faran’ny taona […]




