Hanomboka ny 9 janoary 2024, ny fampiofanana mahakasika ny sarimihetsika sy ny manodidina azy. Rasolofo Hasimbola, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika, manana ny maha izy azy, no hampiofana mandritra izany. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), miaraka amin’ny Academie nationale des arts et de la cultures (ANAC) sy ny […]
Taratra
Fikarakarana akoho mpiady: anisan’ny antoka mampandresy azy ny fahalavorarian’izany
Mila fikarakarana ny mialoha sy mandritra ary ny aorian’ny fotoana iadivan’ny akoholahy mpiady iray. Ankoatra ny fahaizan’ny akoho miady, anisan’ny antoka mampandresy ny akoho ihany koa ny fikarakarana tomombana tsara. Randriarimanga I. Mamy Michel, no anarany ary mpikarakara akoho ao amin’ny klioba Black List no andraikiny. Efa nolovainy avy amin’ny […]
Ramamimampionona Gérard: “An’ny Malagasy rehetra izay ho Praiminisitra eo”
“Amin’izao fotoana izao, lasa iadiana ny hoe tokony ho aty aminay ny Praiminisitra. Avy aty aminay na hoe zanakay, afovoantany na anindrantany. Toy ny manambara izany hoe angaha tsy iray ihany ny Malagasy”? Io ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard, manoloana ny ho fanendrena Praiminisitra. Tsy hoe avy atsy […]
Fantina sy fintina
Namory ireo governora rehetra ny minisitry ny Atitany. Nanteriny fa haverina ny filankevitry ny faritra. “Tanjona ny handraisana fanapahan-kevitra ho amin’ny fampandrosoana iarahana amin’ny filohan’ny Repoblika sy ny praiminisitra. Manao tatitra ny asa vita isan-telovolana koa ny rehetra”, hoy izy. . “Misy fanjakana ve eto ? “, hoy ny […]
Lesoka fakana lesona
Andro iray sisa dia hivalona tanteraka ny taona 2023. Taona izay nisehoan-draha maro teto Madagasikara. Nisy ny nahafinaritra sy ny nahasoa. Tsy takona hafenina kosa ny ngidim-piainana izay tena niantraika hatrany anaty vilanin-dRamalagasy. Tena taonan’ny fahantrana faobe sy fijaliana nihoapampana izany ho an’ny sarambabem-bahoaka. Mampieritreritra! Etsy ankilan’izay, tsy azo odian-tsy […]




