Taratra

Lalam-piofanana  teknika: mahasarika tanora maro, mora  ahitana asa haingana

Mahasarika tanora maro ny lalam-piofanana teknika eto Madagasikara. Azo lazaina ho toeram-panofanana manampy ny ankizy hahita asa avy hatrany izy io, raha ny fanadihadiana natao. Antony iray mahamaro sy mahatonga ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora misafidy io lalam-piofanana iray io ny fitsinjovana ny  asa hatao. “Efa misy taranja iray […]

Aza amosavina !

Raha atao indray mijery dia hita fa kofona ilay vahoaka malagasy amin’ny lafiny sosialy. Tafahoatra ary tsy azo atao ny mitazam-potsiny ny zavatra tsy mandeha eto amin’ny firenena. Ny hanongontsongoina ny maty rahateo dia ny tahotra ny handevim-belona. Sintonina dieny vao mandray fiaingana indray ny lamasinina haingam-pandeha. Tsy maintsy sorohina […]

Fantina sy fintina

Anisan’ny hataon’ny filoha Rajoelina laharam-pahamehana, manomboka amin’io taona ho avy io, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fampananana asa. Ho tohizana koa ny fanomezana titra tany (titre vert) ny tanora nahomby amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono. Ho lasan’izy ireo tanteraka ny tany afaka dimy taona […]

Farihy Tsimanampetsotsa: arovana ny trondro jamba mitoho

Karazan-trondro jamba ny mitoho, antsoina hoe : « Typhleotris madagascariensis ». Tsy hita maneran-tany afa-tsy any amin’ny  faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara, toy ny ao anatin’ny zohy valanjavaboahary arovana ao Tsimanampetsotsa, Toliara. Mitantana ity toerana ity ny Madagascar National Park (MNP), miara-miasa amin’ny Vondrona olona ifotony (VOI). Manana ny kolontsainy mampiavaka azy ny mponina […]