Taratra

RN4: vita tanteraka ny tetezan’i Maromalandy

Nosoloina tanteraka ny tetezan’i Maromalandy, any amin’ny lalam-pirenena fahefatra (RN4), izay efa tena antitra. Noravana manontolo, ary novana ho tetezana vita amin’ny « béton » azo ifanenan’ny fiara roa, mirefy 43 metatra. Natao ny 13 novambra 2023 ny andrana fampandehanana fiara teo amboniny. Hita fa manaraka ny kalitao takina ny nanatanterahana ny […]

Tao anatin’ny 10 volana: nihena ny fanafaran’i Madagasikara vary

Nahitana fidinana ny taham-panafaran’i Madagasikara vary tao anatin’ny folo volana voalohan’ny taona 2023 raha oharina tamin’ny taon-dasa.  Nihena ny fanafarana vary nataon’i Madagasikara nandritra ny 10 volana voalohan’ny taona, raha ampitahaina tamin’ny taona 2022. Manodidina ny 370 510 t ny vary nafarantsika raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 599 603 […]

Orinasa miaramila ao Moramanga: homen’ny firenena Sinoa fiofanana ireo teknisianina

Laharam-pahamehana amin’ny fampivoarana an’i Madagasikara ny hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana maharitra. Tsy mitsahatra mijery ireo fiaraha-miasa marolafy sy paikady mahomby hanatanterahana izany ho tomboantsoan’ny vahoaka ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tetikasa fampandrosoana maro no efa nosokafana ka anisan’izany ny nanaovan’ny orinasa miaramila iray any Sina fifanekem-piaraha-miasa amin’ny orinasam-pamokaran’ny miaramila ao Moramanga. Tafiditra […]

Fasan’ny karana: avo roa heny ny fiakaran’ny saran-dalàna

Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpandeha noho ny fananararaotana tafahoatra ataon’ny mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa manokana, tetsy amin’ny fasan’ny karana, ny faran’ny herinandro teo. Mananika ny 60 000 Ar hatramin’ny 80 000 Ariary ny saran-dalàna takina amin’ireo mpandeha. Manodidina ny 37 000 Ar anefa izany teo aloha. Efa lafo avokoa ny toerana ho an’ireo […]