Taratra

Tranga

Lehilahy iray maty voatsatok’antsy tetsy Ambatomirahavavy, ny faran’ny herinandro. Mpiambina no asany. Natory tao amin’ny trano andalam-panamboarana hiasany, araka izany, izy.  Nipotsaka ny tsinain’io lehilahy io noho ny vono nahazo azy. Tsy nisy nipika anefa ny vola 470 000 Ar napetrak’olona tao aminy. Karohin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily ny kamiao nitondra […]

Madirovalo: dahalo iray lavon’ny zandary

Lavon’ny mpitandro filaminana nandritra ny fifandonana ny dahalo raindahiny iray tao  amin’ny fokontany Ambahivaha, kaominina Madirovalo, ny alin’ny 26 desambra teo.  Nanara-dia io mpangalatra omby io sy ny namany ny zandary miasa ao an-toerana. 2 km mivoaka miankandrefana ny tanàna, raikitra ny fifandonana mahery vaika tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nihemotra ny […]

Analakely: roa lahy mpangalatra moto naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja omaly, ireo roa lahy mpangalatra moto voasambotry ny mpitandro filaminana, tetsy Analakely. Nangalatra taxi-moto tao anelanelan’Ambatolampikely sy Malaza, fokontany Ambohidralambo, kaominina Ambanitsena izy ireo. Voaroba tamin’izany ny moto scooter 4T. Naharay fitarainana ny zandary miasa ao Carion ny ampitson’io. Nokarohina ny mpangalatra. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa […]

Rugby 2024: feno ny fandaharam-potoan’ny Makis

Hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena avokoa ireo Makis de Madagascar, sokajy rehetra, lahy sy vavy, amin’ny taom-pilalaovana 2024. Fotoan’ny asa, araka izany, io taona vaovao io, ho an’ny Malagasy Rugby ka hametrahany fanamby goavana. Tsy misy fotoana hialana sasatra ny Makis de Madagascar, eo amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena hatrehina ho an’ny taona 2024. […]

Fahasahiana tsotr’izao: nisy namaky ny biraon’ny fitsarana ao Toamasina

Novakin’ny jiolahy ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ao Toamasina, ny talata alina teo. Tsy naka na inona na inona anefa ireo jiolahy satria tsy nisy nihetsika tamin’ny toerana ny entana rehetra… Nisy namaky omaly alina ny varavaramby roa miditra ao amin’ny biraon’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina. Tafiditra  hatrany amin’ny […]