Taratra

hira anaty sarimiaina: hoentina an-tsehatra ny Wesing Disney

Fetin’ny Krismasy mira fetin’ny ankizy. Fetin-tsekoly koa matetika, hanehoan’ireo mpianatra ny talentany. Tsy hidify amin’izany fanao izany ireo mpianatry ny Iarivo Art & music Academy, etsy Andra­voa­hangy Ambony. Amin’ny maha sekoly fianarana mozika azy anefa, hiavaka noho ny sekoly rehetra ny fetin’ny mpianatra. Haka endrika fampisehoana goavana izany, izay hotontosaina […]

Voaporofo tokoa: Very fototra sy voazarazara ny Malagasy

Niteraka resabe… Vaovao niainga avy any Rôma momba ny fitsofan-drano ireo mitovy fananahana te hanorina tokantrano. Samy nanana ny nandraisany azy rahateo ny tsirairay. Saingy, ahatarafana ihany koa fa manao antsavily amin’ny tranonkala ny Malagasy. Manahirana sy mila fitandremana fatratra ny fifampiresahana na ny fanehoan-kevitra manoloana ny filazana avy any […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratran’ny zandary ny telo lahy mpangalatra bizo any amin’ny RN31A, lalana mampitohy an’Antsohihy sy Bealanana, faritra Sofia, ny 19 desambra teo. Ahiahiana ho nanimba sy nangalatra ny bizo any Bekapa sy ny lalam-pirenena RN 31A izy ireo. Hampiakarina any amin’ny sampana fampanoavana ao amin’ny fitsarana Antsohihy ireo voampanga ireo. Misanda […]

Sendikan’ny indostria eto Madagasikara : natsangana ny « Centre de gestion agréé »

Entina hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola sy hanaraha-maso ireo orinasa mitsangana eto Madagasikara ny tanjona napetraky ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM) nandritra ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny foibem-pitantanana natao ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (centre de gestion agréé, CGA) tetsy Analakely, omaly. Tombony amin’ny CGA ny fanamorana ny […]

Fitaterana: tafaverina ny zotra an-dalamby FCE

Hiverina hisokatra manomboka rahampitso sabotsy 23 desambra ny zotra an-dalamby FCE mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara rehefa niato volana vitsy lasa izay. Hanamora ny fitateram-bokatra sy ny entana amin’ireo faritra roa ireo ity zotra an-dalamby ity. Hampifandray an’ireo tanàna manodidina fa indrindra hampiroborobo ny toekarena sy ny fizahantany ao an-toerana […]