Hanampy sy hanome tantsoroka an’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany, izay no tanjona apetraky ny agence Tropi’Com, nandritra ny fanolorana azy tetsy Andraharo, omaly. Hanampy amin’ny lafiny serasera sy fampahafantarana ny tolotra sy ny mampiavaka ny mpiantsehatra samihafa ny tsanganasa (agence). “Manan-karena i Madagasikara izay tokony haseho an’izao tontolo izao, […]
Taratra
Jamba mifampitantana !
Raha misy firenena fadiranovana indrindra eto ambonin’ny tany dia i Madagasikara. Mazava be ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena fa dimy voalohany avy any amin’ny farany isika. Tsy atao mahamenatra izany. Tsy natao handemen-tsaina sy ahakivy ihany koa. Tokony ho fanoitra sy angady hoenti-miady ho an’ny fampandrosoana. Ilay mpanetsika hambom-po. […]
Fambolen-kazo 2023: niisa 128 000 000 ny zana-kazo voavoly
Nivaly ny ezaka natao tamin’ny lafiny fambolen-kazo, ho an’ny taona 2023, satria nihoatra ny tanjona napetraka ny velaran-tany voavoly. Misitraka ny vola azo avy amin’ny tsena karbôna ihany koa i Madagasikara. Nahomby ny taom-pambolen-kazo 2023. Nitombo 104% ny zana-kazo voavoly, nihoatra tamin’ ny taona 2022. Niisa 128 091 650 ny zana-kazo […]
Andranomanelatra – Antsirabe: Kamiaobe nahatrarana rongony 50 kitapo
Saron’ny zandary misahana ny fifamoivoizana Antsirabe tao Andranomanelatra, omaly, ireo rongony 50 kitapo, milanja 488 kg. Niainga avy any Ankily, Ihosy ireto entana ireo ka voasakan’ny zandary tao Mahandraza Andranomanelatra, Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin’ny gony an-jatony misy eladrano (mica) ireto zava-mahadomelina 50 gony ireto. Notsindrina sy nafenina […]
TSELATRA
Natolotra ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly ireo mpianaka voarohirohy ho nanao asa fisolokiana. Notanana am-ponja vonjimaika eny Antanimora izy ireo. Nikasa hifampiraharaha tamin’ny polisy izy ireo ho famotsorana, hanao kolikoly, saingy tsy nanaiky izany ny polisy. Saron’ny polisin’ny Fip teny 67 ha ny jiolahy iray niaraka tamin’ny basy vita gasy, […]




