Niakatra fampanoavana, omaly, ny miaramila sivy (Tafika sy zandary). Voarohirohy miaraka amin’ny ben’ny Tanàna roa tamin’ny raharaha fakana an-keriny ao Ankazobe izy ireo. Heloka anenjehana ireo voarohirohy ireo ny firaisana tsikombakomba sy mpamatsy bala ireo dahalo mpaka an-keriny ao anatin’ny distrikan’Ankazobe. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny sampana fikarohana heloka bevava Fiadanana, […]
Taratra
«Atsimondrano Champion’s League» : tompondaka ny Tambatra FC sy ny Valence FC
Tontosa ny alahady lasa teo, teny amin’ny kianja Ankadivoribe Soalandy, ny lalao famaranana ho an’ny fiadiana ny andiany faharoa, amin’ny «Atsimondrano Champion’s League», taranja baolina kitra. Fifaninanana nokarakarain’ny Atsimondrano Action sport sy ny solombavambahoaka, Andry Ratsivahiny izay angady nananana sy vy nahitana izany. Voahosotra ho tompondaka ho an’ny faritra «A» […]
Kitra – «Can 2024»: nahitsy ho 27 ny isan’ny mpilalao
Nanambara ny kaonfederasiona afrikanina, taranja baolina kitra, (CAF) ny zoma lasa teo, tany Egypta, fa nahitsy ho 27 ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena (Can 2024) fa tsy 23 toy ny teo aloha. Zava-baovao amin’ity fifaninanana ity izany fanapahan-kevitra noraisina […]
AJS Mada Tsiadana : misarika ny ankizy hitia fanatanjahantena
Feno dimy taona ny sekoly rugby, Association des Jeunes Sportifs (AJS) Mada eny Tsiadana. Miezaka mitaiza sy mamolavola ny ankizy sy ny tanora hitia fanatanjahantena izy ireo. Hotontosaina ny alahady 24 desambra ho avy izao, eny amin’ny kianjan’ny Oniversite Ankatso, ny fankalazana ny fahadimy taona nijoroan’ny Association des Jeunes Sportifs […]
VAOVAO TAMBATRA
Tanterahina mandritra ny efatr’andro ny fampiofanana fandrafetana ny drafi-pitantanana “Business plan”. Resahina mandritra izany ny fampiofanana ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera, ny talem-paritra samihafa, ireo mpiompy trondro, ireo Banky sy ny fampindramam-bola madinika mahakasika ny rindrambaiko UTIDA. Nahazo milina hanodinana voasary makirana ny distrikan’i Manandriana. Nahazo ny anjarany ihany koa […]




