Tsy marina ary tsy mitombina ireo vaovao niely ny amin’ny nandefasana an-dRafanoharana Paul any Frantsa. Mbola voatana eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tenany amin’izao fotoana. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa tsy maintsy nentina nanaovana fizaham-pahasalamana teny amin’ny Centre IMM sy ny Clinique Reine Marie, ny tenany ny alatsinainy 4 desambra teo. […]
Taratra
Governemanta: nametra-pialana halina
Nametra-pialana halina ny governemanta notarihin’ny praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny filan-kevitry ny minisitra voalohany, notarihin’ny filohan’ny Repoblika no nanaovany izany. Neken’ity farany rahateo ny fangatahana mba ahafahana miroso amin’ny fanavaozana sy ny ho fanatanterahana ny politikam-pampandrosoana napetrany nandritra ny fampielezan-kevitra. Mandrampivoaka izay mpikambana vaovao dia manohy ny asa fampandehanan-draharaha ny […]
Antenimieran’ny tanora miteny frantsay: Nitohy omaly ny fanadinana ireo solontena malagasy
Tontosa omaly ny fanadinana an-tsoratra fanampiny, ho an’ny mpiadina amin’ny fifaninanana Parlement francophone des Jeunes (PJF-2024), karakarain’ny Alliance française miaraka amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Mbola hisy ny fanadinana sy ny sivana samihafa hamaritana izay tanora miisa roa, hisolotena an’i Madagasikara amin’izany PJF-2024 […]
Rakotomanana Richardson: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”
Ahoana ny amin’ny sosialim-bahoaka? Anisan’ny fanambin’ny fitondrana amin’izao io. Eo koa ny amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny asam-panjakana. Maneho ny fijeriny ny talen’ny Birao fitarainana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Rakotomanana Richardson: “Mifamatotra ny fampandrosoana fa tsy mandeha ila”. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Inona no tena mahabe fitarainana ny vahoaka […]
TARATRY ny KANTO
Feno 20 taona ny Piment Café Behoririka. Toy ny isan-taona, hankalazaina manomboka ny zoma alohan’ny Krismasy ny tsingerin-taonan’ity toeram-pialamboly ity. Hanokatra ny fotoana ny “Revy Samöela ranoiray”, ny zoma izao, manomboka amin’ny 9 ora alina. Efa zatra ny toerana nandritra ny taona maro na ny mpanakanto na ireo mpankafy azy. […]




