Taratra

Krismasy sy faran’ny taona : manolotra fety sy fialamboly lehibe ny CUA

Nanomboka omaly 20 desambra ka hifarana ny 2 janoary 2024. Manolotra fety sy fialamboly lehibe ho an’ny rehetra ny Kaominina Anta­nanarivo Renivohitra (CUA). Eo anoloan’ny Lapan’ny Tanà­na Analakely (Parvis), hahazo laka ny ankizy, mandritra ireo andro maro ireo. Tazana eny an-toerana ny «manèges», «gonflable», «cabane du père noël», fandefasana ireo […]

Ambodifotatra- Sainte Marie : mitohy ny dingana fampidirana ho harembakoka ny eglizy

Fiangonana voalohany teto Madagasikara. Efa harembako-pirenena ary hangatahana ho harembakoka maneran-tanin’ny Unesco ny Eglizy katolika ao Ambodifotatra, Sainte Marie. Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’i Madagasikara. Ny Eglizy Katolika ao Ambodifotatra, any amin’ny Nosy Sainte Marie no trano fiangonana naorina voalohany teto Madagasikara. Vako-pirenena izy io, araka ny didim-panjakana laharana faha 83-170, […]

fankalazana ny Krismasy : anisan’ny ravaka tsy misaraka amin’ny fety ny hazonoely

Akaiky ny Krismasy, mandravaka ny tokantrano, amin’ny alalan’ny hazonoely sy karazana kilalao maro samihafa, ny olona. Natao hampifaliana ny ankizy ny tena antony mahatonga azy ireo manao izany. Andro sisa no isaina dia hiditra tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny Noely na Krisma­sy ny firenena maneran-tany. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa i Mada­gasikara. Fety natao hankalazana zava-baovao sy fiavian’ny ma­zava ny atao hoe Noely, raha […]

VAOVAO TAMBATRA

Tratra nangalatra jiro sy rano ny tokantrano iray eny Ambohitrimanjaka. Manentana ny rehetra ny Jirama hiantso amin’ny laharana maitso (maimaimpoana) 547, na koa manatona mivantana ny masoivoho raha mahita tranga toy izany. Mijanona ho tsiambaratelo ny momba ny mpanome vaovao. Hiverina hisokatra ny sabotsy izao ny zotran-dalamby FCE, mampitohy an’i […]