Taratra

Taom-pahavaratra 2022-2023 : faritra 10 amin’ny 23 nitondra faisana vokatry ny rivodoza

Ilaina ny manavao ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana toy ny rivodoza, hampihenana ny voka-dratsy amin’ny olona sy ny fihariany ary ny fotodrafitrasa samihafa. Taorian’ny faritra hafa, anjaran’ny faritra Boeny ny fanatontosana atrikasa fanavaozana ny drafitrasa hiatrehana ny hamehana (PCR), notarihin’ny Prefen’i Mahajanga sy ny talen’ny Cervo, Razafimandimby John Herimiandry. Notronin’ireo […]

TARATRY ny KANTO

Nahemotra amin’ny 27 janoary 2024 ny hetsika “Misy mihaino?”. Antony, mikatona manomboka ny 22 desambra ka hatramin’ny 4 janoary 2024 ny Cercle Germano-Malagasy. « Misy mihaino ? », famelomana ampahana tantara fandefa amin’ny Radio, holalaovin’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra, natao ahatsiarovana ireo zoky nampianatra sy nanofana ny Faribolana Sandratra. Nodimandry i Fleur. […]

“Festival Tsika Jiaby” ANY FRANTSA : homena sehatra ny mozika malagasy

Sambany! Izay vao hisy hetsika lehibe ho an’ny kolontsaina amin’ny ankapobeny sy ny mozika malagasy manokana. Hotontosaina any Frantsa ny “Festival Tsika Jiaby”. Telo andro an-danonana, hanandratana ny zavakanto malagasy, ny 18 hatramin’ny 20 mey 2024 izany. Hatao ao amin’ny “Domaine de Courson”, any Courson-Montloup, Frantsa, ity hetsika lehibe ity. […]

Fiverenana ifotony : mila mitandrina ny Malagasy

Miroborobo fatratra ankehitriny, ny fivoizana ny fiverenana eny an-doharano  na ny fiverenana ifotony. Saika tratran’io avokoa ny sehatra iray manontolo, indrindra fa ny kolontsaina sy ny zavakanto. Niharan-javatra maro anefa ireo raha ny tranga hita teto Madagasikara. Noho izany, mila mitandrina fatratra ny Malagasy. Ny fahalalana, ohatra, nozimbazimbain’ny vahiny ka lasa […]

« Slam Session »: anisan’ny mandray ny hetsika ny Tranomboky monisipaly

Manomboka miverina tsikelikely sy mihamitombo ny hetsika ao amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. Efa ahitana ny seho “Slam poèsie” ihany koa eny an-toerana manomboka izao. Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Tra­nomboky monisipaly Analakely, ny hetsika “Slam Session”. Seho an-tsehatra karakarain’ny Madagaslam section tana (MST) sy ny avy eo amin’ny Tranomboky monisipaly […]