Taratra

Razanamahasoa Christine: “Manaja ny soatoavina repoblikanina aho”

Anisan’ireo nanatrika ny fametrahana amin’ny toerany sy ny fianianan’ny filoha Rajoelina Andry, teny Mahamasina, ny sabotsy teo, ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanama­hasoa Christine. Nambarany, tamin’izany, ny antony nanatrehany iny lanonana iny. “Manaja ny soatoavina repoblikana ny tenako, ka adidiko ny mamaly ny fanasana nalefa tamiko”, hoy izy. Nomarihiny fa tahaka ny […]

Fiarahan’ny mitovy taovam-pananahana : “Tsy mitsodrano ny fiangonana katolika !”

Nitondra fanazavana manoloana ny resabe momba ilay fitsofan-drano ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ny sekretera mpandrindra ny Fivondronamben’ny eveka, ny mompera Rafanomezantsoa Seraphin. Nohamafisiny fa tsy mitsodrano izany ny EKAR. “Tsy hisy mihitsy ny fi­tsofan-drano ny fiarahan’ny olona mitovy taovam-pananahana. Tsy mi­dika izany fa tsy ilaina […]

INDRAY MIJERY

Vata fampangatsiahana 3 sy kojakoja miaraka aminy no natolotra tao amin’ny Malagasy Medical Analysis Laboratory na ny laboratoara (LA2M) eny Androhibe. Avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Fond Mondial no nahafahana nanolotra izany. Manampy betsaka amin’ny fitehirizana ireo vaksiny ny fitaovana azo. Nantitranterin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa manana andraikitra sarobidy ny sampandraharahan’ny fitehirizan-dra etsy […]

FAHATAPAHAN’NY LALANDRA : «Olona iray isaky ny adiny 8 no tratrany»

Miresaka mahakasika ny fahavakisana na fahatsentsenan’ny lalandra (AVC) ny dokotera Razafimahefa Ju­lien, manam-pahaizana ma­no­kana momba ny fo sy ny lalandra, ao amin’ny hopitaly Befelatanana. Nolazainy fa olona 1 isaky ny adiny 8 no tratran’ny AVC eto Mada­ga­sikara. Izay no voarakitra eny anivon’ny hopitaly fa mbola misy anefa ireo olona mijanona […]