Nahazo fitaovana ireo mpanjono any amin’ny distrikan’i Soalala, faritra Boeny, omaly. Anisan’izany ny salotra vonjy aina miisa 70, harato sy ny kojakoja miaraka aminy, mitotaly 50. Nilaza ny minisitry ny Jono, Mahatante Paubert, fa santatra ihany ireo, fa mbola hisy ny fanampiana hafa. Mitotaly 34 500 ny tanora any amin’ny […]
Taratra
« Zotra charter » : mpizahatany bolgariana miisa 175 tonga any Nosy Be
Nigadona voalohany any Nosy Be, ny sabotsy 25 novambra 2023 teo, ny fiaramanidina mitondra mpizahatany « charter », mivantana avy any Bolgaria. Nitsena izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fizahantany, Joel Randriamandranto, sy ny manam-pahefana any an-toerana. Niantoka ity zotra mivantana ity ny kaompania Flight Bulgaria, nitondra mpizahatany miisa 175. Miisa […]
Fanarahana ny vaninandro: ampiasaina amin’ny fitantanambolam-panjakana ny niomerika
Natao omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny atrikasa mahakasika ny fitantanambolam-panjakana. Tanjona ny hampifandrindra ny asa sy ny tetikasa rehetra, ka ampiasana ny teknolojia niomerika. Maro ny sehatra sy ny asa ampiasana ny volam-panjakana. Misy ny rafitra mifehy sy mitantana azy ireo, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny […]
TARATRY ny KANTO
Hamoaka ny “Mirantsana” ry Babai Lugu. Hira vaovao hivoaka anio izy ity, raha ny nambaran’i Goul, lehiben’ny tarika. Amin’ireo “plateformes” fividianana hira efa mahazatra, toa ny Spotify sy ny Deezer no azo jifaina sy henoina izany. Anisan’ireo hira handrafitra ny rakikira vaovao, izay hivoaka tsy ho ela io hira io. […]
Kintan’ny Fanilo Mikabary: namoaka mpikabary 20
Nanatanteraka fanandratana mpikabary 20 mianadahy ny Kintan’ny Fanilo Mikabary, ny sabotsy lasa teo, tetsy Tsarahasina Ambohimangakely. Ny 10 tamin’izy ireo, nisalotra ny anarana « Matsilo », izay mpikabary niofana nandritra ny enim-bolana ka nandray ny mari-pahaizana maha mpikabary azy. « Manandratra ny tsara ho an’ny lova iombonana ny fanalavana ny Matsilo », hoy Ramilison […]




