Laharam-pahamehana ho an’ny Orange ny fanohanana ny tanora amin’ny fampiofanana arakasa miaraka amin’ny teknolojia vaovao na inona na inona fahaizana ananany. Mandray mpianatr’asa amin’ny sehatra maro koa ny orinasa isan-taona.. Mampivelatra ny fiaraha-miasa amin’ny fampiofanana sy ny fiofanana arakasa miaraka amin’ ny mpiray ombon’antoka ny orinasa Orange Madagascar. Nanao sonia […]
Taratra
Farihin’i Mantasoa: nandrotsahana zana-trondro miisa 40 000
Tafiditra anatin’ny vanim-potoana fikatonan’ny jono isika izao, antony indrindra hampiroboroboana ity sehatra ity. Nandrotsahana zana-trondro tilapia miisa 40 000 ao amin’ny farihin’i Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana, ny sabotsy teo. Hetsika tantsoroka avy amin’ny orinasa Acipencer. Tanjona ny hitantanana maharitra sy hamerenana ireo harenan’ny farihy mba ho tombontsoan’ny rehetra. Tsapa tokoa fa […]
Seha-pihariana kakao: hampirisihina ny fampiroboroboana azy
Lalam-pihariana anisan’ny nahitantsika tombontsoa ny kakao manomboka any amin’ ny tantsaha ka hatrany amin’ ny mpanondrana. Nandrombaka ny vokatra tsara kalitao indrindra maneran-tany (Cacao fin 100%) i Madagasikara, vao tsy ela. Tsy nitsaha niakatra ihany koa ny vidin’ny kakao noho ny tinady iraisam-pirenana. Na izany aza, tokony jerena ny fanitarana […]
Fandraharahana: Hanomboka anio ny hetsika « Inim »
Fotoan-dehibe hampivondronana mpandraharaha samihafa ny hetsika “Innovative Natural Ingredients of Madagascar 2023 (INIM), andiany faharoa. Manomboka anio ka haharitra roa andro ny hetsika izay atao eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ho hita mandritra ireo fotoana ireo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ho an’ireo Malagasy mpamongady sy mpamokatra akora fototra amin’ireo […]
Kilaon’ny letisia: mbola hidina manodidina ny 800 Ar ny vidiny
Vidina 1 000Ar ny kilaon’ny letisia eny an-tsena amin’izao. Mbola hidina izany atsy ho atsy noho ny hamaroan’ny vokatra miakatra eto an-drenivohitra. Manomboka mitobaka eny an-tsena ny letisia. Manodidina ny 1 000Ar ka hatramin’ny 1 500Ar eo ny kilao raha toa ka manomboka amin’ny 9 000Ar ka hatramin’ny 12 000Ar […]




