Tafakatra dimy mianadahy ireo voasambotry ny zandary voasaringotra amin’ny asan-jiolahy tetsy Andohanimandroseza, omaly. Mpitandro filaminana am-perinasa ny iray amin’ireo olona dimy voasambotra momba ny raharaha tetsy Andohanimandroseza, araka ny fanazavan’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovana Analamanga, ny Kly Tojo Raolijon, tetsy Ankadilalana, omaly. Anisan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ny raharaha maloto nataon’ireo dimy lahy namany izay efa lavo ny talata teo io […]
Taratra
Tetikasa Produir : mitohy ny fiarovana ny vahilava Ikopa sy Sisaony
Manomboka ny volana oktobra hatramin’ny avrily ny fotoam-pahavaratra eto amintsika. Azo tsapain-tanana ny fanamafisan’ny tetikasa Produir, ny vahilava, mirefy 5 km manamorona ny reniranon’Ikopa sy Sisaony, manoloana ny rivodoza tamin’ny fiandohan’ny taona 2023 teo. Saingy mbola anisan’ny namela takaitra ny oram-be tamin’ny taona 2022. Nisy ny asa vonjy taitra tsy […]
VAOVAO TAMBATRA
Hodinihina mandritra ny fivoriana amin’ny herinandro, iarahana amin’ireo tomponandrikitry ny Banky iraisam-pirenena, ny momba ny Madagascar Airlines. Marihina fa hamatsy vola ny kaompania ity vondrona iraisam-pirenena ity. Hanome vola azy ny fanjakana malagasy raha haverin’ny banky amin’ny alalan’ny famatsiam-bola izany avy eo. Tonga androany ao Mahajanga ilay sambo lehibe mpitondra […]
Manakara : nomena zanatrondro 23 000 ny mpiompy
Ampiroboroboina any Manakara, faritra Fitovinany, ny fiompiana trondro an-dobo. Manohana ny mpiompy mivantana ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) Fitovinany. Naterina tany Manakara, ny 20 novambra teo, ny trondro fakana taranaka sy zanatrondro ary sakafo. Miisa 59 ny trondro lehibe tilapia, fakana taranaka (vavy 32, lahy 27) […]
Indostria malagasy : tafarina ny orinasa Sirama
Mbola mijoro ny orinasa Siramamy malagasy (Sirama) na nijanona tsy namokatra nanomboka ny taona 2004 aza, ka niteraka fatiantoka hatrany amin’ny 58 miliara ariary. Nisedra olana goavana ny orinasa Sirama nandritra ny taona maro. Tafakatra amina miliara maro ny fatiantoka teo anivon’ity indostria malagasy ity. Nihena, nanaraka izay, koa ny […]




