Nambaran’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora, teny Mahamasina, omaly, fa efa nahazo taratasy “visa”, Razafindranaivo Koloina na Rakool, malagasy mpilalao baolina kitra. Hilalao any amin’ny klioba frantsay, Athletic Club Arlésien (D6) ity Malagasy lohalaharana ity. Maharitra herintaona eo ny fifanarahana ary azo havaozina izany. Marihina fa tao amin’ny Five FC […]
Taratra
Fikirakirana fifidianana : hamoaka vokatra ofisialy ara-potoana ny HCC
“Efa miasa izahay, fa tsy miandry ny valim-pifidianana vonjimaika avy amin’ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Rakotoarisoa Florent, teny Ambohidahy, afakomaly, ny amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana. Efa misy antontan-taratasy avy amin’ny Vaomiera mpanisa vato (SRMV) isaky ny distrika tonga eny amin’ny HCC. Raha andrasana […]
Madagasikara : fahatelo iharan’ny fiovan’ny toetr’andro
Anisan’ny firenena marefo mitana ny laharana fahatelo eto Afrika i Madagasikara, amin’ny lafin’ny fiovan’ny toetr’andro. Miankina betsaka amin’ny toetr’andro ny fampandrosoana ny firenena. Indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy, ny toekarena ary ny fahasalamana. “Ilaina hamafisina ny fahaiza-manao sy ny teknolojia ary ny fanampiana ara-bola ahafahan’i Madagasikara miatrika ny fiovan’ny […]
Vaky trano narahina fanolanana : raim-pianakaviana iray voaheloka mandra-pahafatiny
Navesatra ny didy navoakan’ny mpitsara eo anivon’ny fitsarana misahana ny ady heloka bevava tao anatin’ny fotoam-pitsarana andiany faharoa, ny 21 novambra 2023 teo. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny i Younous Michou, raim-pianakaviana 41 taona. Niakatra teo anivon’ity sampam-pitsarana ity ny antontan-taratasin’ ady laharana faha 88-Toa/23-2845-RP/22 momba ny raharaha vaky trano […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny fandoavana ny latsakemboka izay anjara tokony haloan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana feno azy ao amin’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana na ny OMS. Aretina lagaly no mahazo ny ankizy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, raha ny fanazavan’ny avy […]




