Taratra

Andriamahatana Manuela Christophère: tsy Covid-19 fa gripa ny mahazo ny olona

Tsy valanaretina covid-19 io miparitaka mamely ny olona tonga mameno toeram-pitsaboana amin’izao io, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Nanazava izany indrindra ny tomponandraikitra, Andriamahatana Manuela Christophère, tale misahana ny andri­maso ara-pahasalamana sy ny fanaraha-maso ny valanaretina sy ny loza mety hitranga (DVSSER), etsy Mahamasina. Aretina gripa vokatry ny fiovaovan’ny […]

vaksinin’ny kitrotro : Iantohan’ny Gavi ny 98%

Fantatra nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny vidin’ireo vaksiny miaro amin’ny kitrotro ho an’ny taona 2024. Ny 2% amin’ ny vidin’ny vaksiny izay mitentina 36 202,79 dolara, araka izany, no horaisin’i Madagasikara. Raisin’ny fikambanana Global Alliance for Vaccines and Immunization (Gavi) kosa ny 98% izay […]

Mesupres sy Seces : mihenjan-droa ny tady, mbola miato ny fampianarana

Henjan-droa ny tady eo amin’ny Mesupres sy ny Seces. Mitana ny heviny ny roa tonta. Manameloka ny mpam­pianatra tsy nampianatra nandritra ny 5 volana ny fitondram-panjakana. Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesu­pres), tamin’ny alalan’ny fanambarana nataony omaly, fa misy amin’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana no […]

TARATRY ny KANTO

“Blague Friday Folk” etsy Ambondrona. Handray an-dry zalahy tanora mpanao hatsikana ny toerana, hanafana ny fotoana anio, manomboka amin’ny 6 ora hariva. Hifandimby an-tsehatra mandritra izany ry Raitra Belawyck, Aina Maharavo, Orima Sarobidy, Rataaken sy ireo mpanao hatsikana hafa mbola hanatevina an-dry zareo. Jeneraly, etsy amin’ny Piment Café. Hiverina kely […]

Seho miavaka : hiaka-tsehatra eny Andoharanofotsy ry Tafaray

Haneho ny talentany eny amin’ny La bella vita, Andoha­ranofotsy, ny Tafaray. Hotan­terahina ny sabotsy izao ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro izany. Hifanakaiky kokoa ny mpankafy sy ny tarika amin’io fotoana io amin’ny maha “Cabaret” azy. Hitondra ireo hira sy angola gasigasy ary gadona amin’izao fotoana izao izy ireo amin’izany. Eo […]