Taratra

Andohanimandroseza: Dimy lahy maty voatifitra

Dimy lahy maty voatifitry ny zandary teny Andohanimandroseza, omaly atoandro. Voalaza fa jiolahy saika hanafika Villa izy ireo. Basy dimy tratra niaraka tamin’izy ireo. Maty rotidrotiky ny bala ireo dimy lahy izay nolazain’ny zandary fa jiolahy nandritra ny fifampi­tifirana teny Amparihikely, Tanambao Andohaniman­dro­seza (akaikin’ny masoivohon’i Norvège), omaly tamin’ny 11 ora […]

Taranja tolona : handeha ho any La Réunion i Sarah sy Nathalie

Tsy mbola mifarana ny taom-pilalaovana 2022-2023 ho an’ny taranja tolona. Hiatrika fifaninanana “tournoi de Noël” any La Réunion i Randrianandrasana Sarah Brillante, sokajy latsaky ny 73 kg sy Rasoanomenjanahary Nathalie (-53 kg). Fifanina­nana izay hatao ny 2 sy 3 desambra ho avy izao. Raha ny fanazavana azo tamin’ny filohan’ny Federasiona […]

SOMBIM-BAOVAO

Tsy afaka ny hilalao amin’ity taom-pilalaovana 2023-2024 ity intsony i Gavi, espaniola mpilalao baolina kitra noho ny ratra nahazo azy. Raha ny fantatra, misy ratra eo amin’ny lohaliny «rupture du ligament croisé antérieur du genou». Haharitra fito hatramin’ny sivy volana eo ny fitsaboana azy. Taorian’ireo resaka mandeha tao anaty tambajotran-tserasera […]

Ranaivoharivony Arindra : “Afapo na tsy nahazo voalohany aza”

Mpikatroka Malagasy eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Brésilien, i Arindra. Vao herintaona monja izy no niditra teo amin’ny tontolon’ny JJB ary nandray anjara tamin’ny “Open d’Afrique” natao tany Maorisy farany teo. Naneho ny fahafaham-pony i Arindra tamin’ny medaly volafotsy roa norombahany. “Afapo aho na dia tsy nahazo ny anaram-boninahitra aza”, hoy […]