Piment Café – Revy gitara. Hifarimbona indray ry Tolotra, Ony, Nary, Bim ary Eric Rason, anio, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mazava loatra fa hanjaka ny revy gitara, ary hibahana bebe kokoa ny sanganasan’ny tarika Mahaleo rehefa ry zalahy ireto no tafaraka. Eo ihany koa anefa ireo hirana […]
Taratra
Diary Nofy « Let’s read »: hamelona ny fitiavana vaky boky no tanjona
Notanterahina teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely, ny alarobia lasa teo, ny fanombohana ny atrikasa Angano sy Vaky boky, ao anatin’ny tetikasa “Diary Nofy”. Tetikasa izay manana tanjona ny hisarika ny ankizy ho tia vaky boky sy hamerina ny hasin’ny boky ary hanomezana sehatra ireo asa soratry ny mpahay kanto. […]
« Volana iray, mpanoratra iray »: nizara ny aingam-panahiny i Mioranandriana
Reharehan’ Amoron’i Mania, i Mioranandriana. Mpampianatra, poeta, mpanoratra ary mpanentana fandaharana amin’ny onjam-peo ity ampahafantarina mandritra ny iray volana ity. Vehivavy poeta, mpanoratra ary tena olon’ny literatiora i Fara Bakohasina Mioranandriana. Anjaran’ity mpanoratra zanaky ny faritra Amoron’i Mania ity indray no nampahafantarina tanatin’ny hetsika «Volana iray, mpanoratra iray», tamin’ity volana novambra […]
mazava loha: nitondra fahalalana maro
Tanterahina ny 24 novambra hatramin’ny 2 desambra 2023, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ao anatin’ny Madagascourt Film Festival, andiany faha-18, ny fampirantiana “Mazava loha”, karakarain’ny fikambanana «Rencontres du Film Courts». Fampirantiana hanehoana ny lalana nodiavin’ny sinema malagasy sy ny sangany, izay efa misandratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’izany tontolo izany […]
16 novambra 2023: 60 taona katroka ny Fi.Mpi.Ma
Taorian’ny fodiamandrin’i Rose Valisoa (andrarezin’ny kabary). Nivory voalohany tao an-tranon-dRajohnson Samuël, ny 14 mirahalahy. Izy ireo no nanorina ny «Firaisan’ny Mpikabary Malagasy». Niova ho Fikambanan’ny Mpikabary Malagasy » izany taty aoriana. Feno 60 taona katroka, omaly, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity. Izy 14 mirahalahy […]




