Taratra

Fandraharahana : fototra mampihodina orinasa ny angovo

Miantraika mivantana eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny olan’ny angovo. Misedra fahasahiranana amin’ izany ireo orinasa madinika sy salantsalany tsy manana fahefa-mividy groupe éléctrogène hanodinany ny orinasany. “Tokony hapetrka ny tontolo ahafahan’ny rehetra mi­asa am-pilaminana sy ampahatoniana. Andraikitry ny fi­vondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) ny fampakarana ny harikarena faobe sy ny fampandrosoana […]

Voa roa !

  Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana, natao omaly, manerana ny lafivalon’ny Nosy. Tsy nisy araka ny nivoizan’ny sasany mialoha ny herisetra sy ny sotasota. Indrokely tamin’ny birao fandatsaham-bato vitsy dia vitsy ny fisian’ny olona nametaka afisy manentana ny olona tsy hifidy, na ny tsy nanaiky haka ny […]

Airtel : ampiasaina amin’ny fambolena ny teknolojia niomerika

Nihaona tamin’ireo mpandraharaha ara-toekarena tany Toamasina ny tomponandraikitry ny Airtel, tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ny tetikasa hampiasana ny teknolojia niomerika eo amin’ny sehatry ny fambolena, iarahan’ny Airtel sy ny vovonana Avaya miombon’antoka. Natao sonia tany Toa­masina ny fifanarahan’ izy ireo sy ny ONG Adid. Nilaza ny tale jeneraly mpisolo toerana […]

Maty voatsatok’antsy : mpamily citerne efa noviravirain’ny biby

Nitrangana vonoan’olona mahatsiravina indray teo anoloan’ny toeram-pivarotana iray amin’ny lalana rarivato, An­kirihiry Toamasina, ny alarobia maraina teo. Tovolahy vao 27 taona ity nisy namono ity. Raha ny fitsirihana nataon’ny dokotera eo anivon’ny BMH, tsatok’antsy efatra no hita tamin’ny vatany, teo amin’ny tratrany sy ny sandriny havanana. Navelan’ireo nahavanon-doza teo amin’ny […]

TSELATRA

Voasambotra ny zandary tao Sabotsy Name­hana, ny 15 novambra teo ny efa-dahy mpitsindrona zava-mahadomelina mahery vaika sady mpangalatra jiro mandeha amin’ ny herin’ny masoandro. Tratra teo am-pihanihana andrin-jiro teny An­tsofonondry ny roa lahy tamin’ ireto mpangalatra ireto. Dahalo roa lavon’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Ambohipeno, kaominina Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto, […]